1Makabeo 5 - Malagasy Catholic Bible

Famelezana ny Idomeanina sy ny Amônita

1Nisafoaka mafy ireo firenena manodidina, nony nandre fa hoe voavoatra indray ny ôtely ary vita nody amin’ny toerany taloha indray ny fitoerana masina.

2Koa nanapa-kevitra izy ireo fa handringana ny taranak’i Jakôba nitoetra teo aminy izy, ary niantombohany namonoana maro izy sy nenjehiny

(Jereo 2Mak 10,15-23)

3Ny taranak’i Esao tao Idomea amin’ny tanin’ny Akrabatàna aloha, no niadian’i Jodasy fa namely ny zanak’i Israely; nataony resy dia resy tokoa ireo, ka naetriny sy nangalany babo.

4Tsaroany koa ny haratsiam-pon’ny taranak’i Beana, izay nitsangan-ko fandrika aman-doza ho an’ny vahoaka, nanao otrika hahavoa azy teny an-dalana;

5ka notemerany tao anatin’ny tilikambony ireo, dia nataony fahirano sy nataony anatema ary nodorany ny tilikambony mbamin’izay rehetra tao anatiny.

6Raha efa izany, nankany amin’ny Amônita indray izy, ka sehatra tafika iray lehibe sy vahoaka maro, fehin’i Timoteo.

7Niadiany imbetsaka ireo, ka montsana teo anatrehany ary resy mihitsy.

8Nalainy ny tanàna Jazera mbamin’ny vohitra momba azy; dia niverina nankany Jodea izy.

(Jereo 2Mak 12,10-31)

9Nitambatra ireo firenena any Galaada hamely ny Israelita monina eo amin’ny faritaniny, handringanany azy, fa lasa nialoka tao amin’ny mandan’i Datemàna kosa ireo.

10Nampitondra taratasy tany amin’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny izy nanao hoe: «Nitambatra hamely anay ho levona ireo firenena manodidina anay.

11Efa miomana ho avy haka ny manda ialofanay izy ireo izao ary i Timoteo no filohan’ny tafiny.

12Ka avia hanafaka anay amin’ny tanan’izy ireo, fa efa nahafatesana maro be sahady izahay.

13Ireo rahalahinay nonina teo amin’ny tanin’i Toba dia voavono avokoa; nentin’ny fahavalo ho babo ny vady aman-janany, lasany ny fananany, efa ho 1.000 lahy no matiny tao.»

14Mbola vakina eo ny taratasin’izy ireo, no nisy iraka hafa, rovi-pitafiana koa, tonga avy any Galilea, nitondra izao vaovao izao:

15«Nitambatra handringana anay ny olona avy any Ptôlemaisa, Tira, Sidona, ary avy any Galilean’ny hafa firenena manontolo.»

16Nony nandre izany teny izany i Jodasy sy ny vahoaka, dia nisy fivoriana lehibe, handinihana izay tokony hataony ho an’ireo rahalahiny tra-pahoriana sy asian’izany fahavalo izany.

17Hoy i Jodasy tamin’i Simôna rahalahiny: «Mifidiana miaramila ka mandehana manafaka ny rahalahinao any Galilea, fa izaho sy i Jônatasy rahalahiko kosa, ho any Galaada.»

18Dia i Josefa zanak’i Zakaria sy i Azariasa samy mpifehy vahoaka no navelany teo Jodea miaraka amin’ny miaramila sisa hiambina,

19sy nomeny didy hoe: «Entonareo ity vahoaka ity, nefa aza mandrafitra ady amin’ny firenena mandra-piverinay.»

20Telo arivo lahy no notendrena hiaraka amin’i Simôna ho any Galilea, ary 8.000 kosa no hiaraka amin’i Jodasy ho any Galaada.

Famelezana an’i Galilea sy i Galaada

21Koa nankany Galilea i Simôna dia niady imbetsaka tamin’ny firenena, resy teo anoloany ny firenena,

22ka nenjehiny hatrany amin’ny vavahadin’i Ptôlemaisa. Sahabo ho 3.000 lahy no maty tamin’ny firenena, sady nentiny ny babo tamin’ireo.

23Nangoniny avokoa ny Jody tany Galilea sy Arbatà, mbamin’ny vady aman-janany sy izay rehetra nananany dia nentiny ho any Jodea tamin-kafaliana lehibe.

(Jereo 2Mak 12,10-31)

24Ry i Jodasy Makabeo sy i Jônatasa rahalahiny kosa nita an’i Jordany dia nandroso lalan-kateloana tany anaty efitra.

25Nifanojo tamin’ny Nabateana izy ireo, ka noraisin’ireo tamim-pihavanana sy nitantarany ny manjò an’ireo rahalahiny any Galaada hoe:

26«Maro amin’izy ireo no voatana mihiboka ao Bôsorà, Bôsòra, Alimà, Kasfôra, Makedà ary Karnaima, tanàna lehibe samy mimanda;

27misy koa mihiboka amin’ny tanàna hafa any Galaada. Ny fahavalony dia efa mioman-kananika ireo manda ireo rahampitso sy hahazo azy ary handringana azy rehetra ireo amin’ny indray andro monja.»

28Dia niova lalana i Jodasy; ny lalana mankany anaty efitra no nomban’izy sy ny tafiny; ka niseho tampoka teo anoloan’i Bôsôra izy: nalainy ny tanàna, novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra avokoa ny lahy tamin’ny mponina, nentiny daholo ny babo avy aminy, ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.

29Niala teo tamin’ny alina izy, ka nandroso hatrany amin’ny mandan’i Datemàna.

30Nony maraina, nanopy ny masony izy ireo, ka nahatazana vahoaka tsy tambo isaina nitondra tohatra sy fitaovana hoenti-manafaka ny manda, ary niady tamin’ny Jody.

31Rehefa hitan’i Jodasy fa efa rafitra ny ady, ary efa niakatra hatrany an-danitra ny akoran’ny mponina niaraka tamin’ny feon-trômpetra, mbamin’ny horakoraka be,

32dia hoy izy tamin’ny miaramilan’ny tafiny: «Miadia anio ho an’ny rahalahinareo!»

33Dia nandroso, nizara telo toko, teo ivohon’ny fahavalo izy, dia nampaneno ny trômpetra, sady nivavaka nanao antso mafy.

34Vantany vao fantatry ny tafik’i Timoteo fa i Makabeo izay, dia rifatra nandositra teo anoloany izy ireo, ka nataony nisy ra mandriaka sy resy mihitsy; sahabo ho 8.000 no lehilahy maty tamin’izy ireo androtr’izay.

35Avy ao i Jodasy, dia nihodina nankany Masfà; nasiany io dia azony, ka novonoiny ny lahy rehetra tamin’ny mponina, nentiny ny babo taminy, ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.

36Nandroso nandroso ihany izy, ka azony avokoa i Kasfôna, i Makedà, i Bôsôra, mbamin’ny tanàna hafa any Galaaditida.

37Taorian’izany, namory tafika hafa indray i Timoteo, dia lasa nitoby teo an-tandrifin’i Rafôna, an-dafin’ny mason-driaka.

38Naniraka hizaha io tafika io i Jodasy ka izao no filazana natao taminy: «Nitambatra tamin’ny miaramilan’i Timoteo avokoa ny firenena manodidina antsika, ka tonga tafika iray lehibe dia lehibe izy.

39Nosisihiny vola hanampy azy koa ny Arabo sasany, naoriny erỳ an-dafin’ny riaka ny tobiny, ary efa vonona ny hiady aminao izy izao». Dia nandroso hitsena azy ireo i Jodasy.

40Ary hoy i Timoteo tamin’ireo lehiben’ny tafiny: «Rehefa tonga eo amin’ny rano mandeha i Jodasy mbamin’ny miaramilany, raha mita izy handroso voalohany ho etỳ amintsika, tsy hahatohitra azy ianareo, fa ho resiny mihitsy isika.

41Fa raha matahotra ny hita kosa izy, miorin-toby eny an-dafin’ny ony, mità ho eny aminy, fa handresy azy isika.»

42Nony mby teo amin’ny rano mandeha i Jodasy, nasainy niato teo amoron-drano ny mpanoratry ny tafika, ka nomeny didy hoe: «Aza avela hisy mijanona, fa aoka handroso ho eny amin’ny ady avokoa ny olona.»

43Dia nandroso nanatona ny fahavalo izy ka nita voalohany, narahin’ny vahoaka rehetra. Torotoro teo anoloany avokoa ny Jentily; narian’izy ireo ny fiadiany rehetra, dia nandositra tao amin’ny tempoly ao Karnaima izy.

44Fa azon’ny Jody ny tanàna, ka nodorany ny tempoly mbamin’izay rehetra tao aminy, dia voaetry i Karnaima, ary tsy nahaleo an’i Jodasy intsony ny fahavalo.

45Nangonin’i Jodasy tamin’izay ny Israelita rehetra tany Galaada, hatramin’ny kely indrindra, ka hatramin’ny lehibe indrindra, mbamin’ny vady aman-janany sy ny ananany, izay zavon-tany, hoentiny ho any amin’ny tanin’i Jodà.

46Dia tonga teo Efrôna, tanàna lehibe manapaka ny vavalalana ho amin’ny tany, sy voamanda mafy; ary tsy nisy azo iviliana na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, fa tsy maintsy mamaky eo afovoany.

47Nihiboka tao ny mponina, sady notampenany vato ny vavahady. Nandefa tenim-pihavanana tamin’izy ireo i Jodasy nanao hoe:

48«Aoka mba hahazo mamaky ny taninareo izahay hankanesanay any amin’ny taninay; tsy hisy olona hahatonga faty antoka ho anareo; fa tsy misy angatahinay afa-tsy ny handalo fotsiny ihany.» Tsy nety namoha azy anefa izy ireo.

49Ka nasain’i Jodasy nilazana ny miaramila, mba samy haka toerana amin’izay nisy azy avy.

50Dia samy naka toerana ny lehilahy mpiantafika; ka nananika ny tanàna mandritra ny andro sy mandritra ny alina, dia natolotra teo an-tanany ny tanàna.

51Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra ny lahy rehetra, noravany tsy nasiany niangana ny tanàna, nentiny ny babo teo aminy, ary faty no nodiaviny namaky azy.

52Raha efa izany, nita an’i Jordany ny Jody, dia tonga teo amin’ny tany lemaka lehibe, tandrifin’i Betsàna.

53Nijanona tany amin’ny vodilalana i Jodasy nampandroso ny mpitaredretra hahatratra ny namany, namporisika ny vahoaka teny an-dalana rehetra teny, mandra-pahatongany any amin’ny tanin’i Jodà.

54Dia niakatra tao an-tendrombohitra Siôna, tamim-pifaliana sy firavoravoana izy ireo, sy nanatitra sorona dorana, fa tonga soa aman-tsara, tsy nisy maty na dia iray aza, tamin’izy rehetra.

Fahavoazana tao Jamnià

55Raha mbola tany amin’ny tany Galaada i Jodasy mbamin’i Jônatasa rahalahiny, ary tany Galilea anoloan’i Ptôlemaisa koa i Simôna rahalahiny,

56dia ren’i Josefa zanak’i Zakaria, sy i Azariasa, samy lohan’ny tafika, ny herim-po lehibe nafitsok’izy ireo sy ny ady nataony.

57Ka nifampilaza izy hoe: «Ndao koa isika mba hampaneho laza ny anarantsika, ka andeha hiady amin’ireo firenena manodidina antsika.»

58Dia nomeny didy ny miaramila amin’ny tafiny, ka nandroso hamely an’i Jamnià izy ireo.

59Ary nivoaka ny tanàna i Gôrjiasa mbamin’ny miaramilany, ka nandroso hitsena azy hiadiany aminy.

60Resy i Josefa sy i Azariasa, ka nenjehina hatreo amin’ny sisin-tanin’i Jodea, nahafatesana 2.000 lahy ny vahoakan’i Israely, tamin’izay andro izay. Ny vahoakan’i Israely no voan’izany faharesena lehibe izany.

61dia noho izy tsy nihaino an’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny, fa nataony ho fanehoan-kerim-po izany.

62Kanefa izy ireo tsy mba isan-taranak’ireo olona izay nametrahana ny famonjena an’i Israely.

Fahombiazana tany Idomea sy Filistia

63I Jodasy mahery fo, mbamin’ireo rahalahiny, nahazo voninahitra lehibe, teo anatrehan’i Israely rehetra sy ny firenena rehetra, izay nanonona ny anarany.

64Nivory nanodidina azy ny olona hiarahaba azy.

65Nanaraka izany, niainga indray i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny, hiady amin’ny taranak’i Esao, eo amin’ny tany atsimo; azony i Hebrôna mbamin’ny tanàna momba azy, noravany ny mandany, nodorany ny tilikambo teo amin’ny manda manodidina azy.

66Nony avy nangorona ny lainy izy dia nankany amin’ny tanin’ny Filistinina sy namaky an’i Marezà.

67Tamin’izany andro izany nisy mpisorona maro, maty an’ady fa te-hanampatra ny herim-po fotsiny, ka mba nisosoka niady, tsy amim-pahamalinana, koa.

68Raha efa izany, nizotra ho any Azota tamin’ny Filistinina i Jodasy, noravany ny ôtelin’ireny, nodorany ny sarin-tsampy voasokitr’ireny, ary nony efa nobaboiny ny tanànany, dia niverina ho amin’ny tanin’i Jodà izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help