Izaia 33 - Malagasy Catholic Bible

Salamo fanantenana an’i Iaveh

1«Loza ho anao, ry mpandrava, mbola tsy noravana,

ry mpandroba, tsy mbola norobaina!

Rehefa nitsahatra ny nandrava ianao, dia horavana;

rehefa tapi-nandroba ianao, dia horobaina.»

2Iaveh ô, mamindrà fo aminay!

Ianao no antenainay.

Aoka Ianao ho sandrinay isa-maraina,

sy ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana.

3Mandositra ny vahoaka mandre ny feon’ny kotro-baratrao

miparitaka ny firenena nony mitsangana Ianao.

4Hangonina hoatra ny fanangon’ny valala ny babonareo;

mihazakazaka mankao ny olona, hoatra ny andiam-balala.

5Manerinerina i Iaveh fa mitoetra any ambony Izy;

fenoiny rariny amam-pahamarinana i Siôna.

6Azo antoka ny andronao;

hanananao be ny famonjena,

sy ny fahendrena amam-pahalalana;

ny fahatahorana an’i Iaveh no rakitrao.

Miditra an-tsehatra i Iaveh

7Indreo ny lehilahy maheriny, mibabababa eny an-dalambe;

ary ny iraka mitady fihavanana, mitomany amin’alahelo mafy.

8Ny arabe maty, ny lalana tsy misy mpandeha.

Ny fanekena nivadihany; ny tanàna nafokainy;

ny olona tsy hajainy.

9Misaona sy milofika ny tany;

menatra sy malazo i Libàna,

zary sahala amin’i Arabah i Sarôna,

manintsan-dravina i Basàna sy i Karmely.

10«Ankehitriny hitsangana aho, hoy i Iaveh,

ankehitriny hijoro Aho; ankehitriny hisandratra Aho.

11Torontoronina mololo ianareo, ka niteraka vodivary;

ny fofonainareo ihany no ho afo mandevona anareo.

12Ary ny vahoaka dia ho memy fandoroan-tsokay,

ho tsilo voatomboka mirehitra anaty afo.

13Ianareo lavitra, mihainoa ny nataoko;

ianareo akaiky, mahafantatra ny heriko.»

14Nangovitra ny mpanota ao Siôna,

ary raiki-tahotra ny mankahala fihavanana, nanao hoe;

«Iza amintsika no hahatoetra ao anaty afo mandevona?

iza amintsika no hahatoetra ao anaty lelafo mandrakizay?»

15Izay mandeha amin’ny rariny, sy miteny amin’ny hitsiny;

izay tsy mety mandray harena azo an-keriny,

izay manifikifi-tanana tsy handray kolikoly;

izay manentsin-tadìny amin’ny resaka handatsa-dra,

mitampi-maso tsy hahita ny ratsy;

16izany no honina any amin’ny fitoerana avo;

ny trano mimanda miorina amin’ny vatolampy no fialofany,

ny haniny dia homena azy; ary ny ranony tsy hanam-paharitana.

Voninahitra ho avy

17Ny masonao hibanjina ny mpanjaka amin’ny tarehiny,

hahatsinjo tany midadasika lasa lavitra.

18Ny fonao hahatsiaro ny natahorany:

Nankaiza ny mpanoratra? Nankaiza ny mpampiasa nitana ny fandanjàna?

Nankaiza ny lehibe mpanisa ny tilikambo?

19Tsy ho hitanao intsony ny vahoaka mirehareha,

ny vahoaka manao teny maizina sy tsy fantatra,

fa fiteny tsy fantatra no akanakaniny.

20Jereo ity Siôna tanàna fanaovantsika fety;

aoka ny masonao anie hahita an’i Jerosalema,

fonenana mahasambatra, lay tsy hafindrafindra,

izay tsy hongotana mandrakizay ny tsîmany

sy tsy hanesorana iray akory ny tadiny.

21Ao marina no honenan’i Iaveh ho antsika amin’ny voninahiny;

ao no misy ony aman-dakan-drano lehibe;

izay tsy ho sahin’ny lakana voizina hidirana na iray aza,

sy tsy hidiran-tsambo lehibe na iray aza.

22Satria i Iaveh no mpitsara antsika,

i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika,

i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.

23Mivaha ny mahazakan-tsambonao,

tsy mahatana ny andrin-tsambo ho eo amin’ny fiorenany izy;

ary tsy mahazona ny sainan-tsambo mivelatra intsony.

Amin’izany mizara babo betsaka ny olona,

ny mandringa avy no hanana anjara babo.

24Tsy misy mponina manao hoe: «Marary aho!»

Nahazo ny famelana ny helony, ny vahoaka monina ao Siôna.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help