1Dia namaly an’i Iaveh i Jôba ka nanao hoe:
2«Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra Ianao,
ka tsy misy hevitra sarotra ho Anao.
3Iza moa izato manamaizina ny fandaharan’Andriamanitra tsy amim-pahalalana?
Eny, miteny tsy amim-pahalalana tokoa aho,
ny amin’ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro!
4Mihainoa fa hiteny aho,
hanadina Anao aho ka valio.
5Ny sofiko taloha efa nandre filazana Anao,
fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita Anao.
6Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina
eo amin’ny vovoka sy ny lavenona».
5. TENY FAMARANANAOmen’i Iaveh tsiny ireo olon-kendry telo7Nony avy nilaza izany teny izany tamin’i Jôba i Iaveh, dia hoy Izy tamin’i Elifaza avy any Temàna: «Mirehitra aminao sy amin’ireo sakaizanao roa lahy ny fahatezerako; satria tsy mba mifanaraka amin’ny marina tahaka ny nataon’i Jôba, ny filazanareo Ahy.
8Koa ankehitriny mandehana maka vantotr’ombalahy fito sy ondralahy fito, dia mankanesa eo amin’i Jôba mpanompoko ka manatera sorona dorana ho anareo. Ary i Jôba mpanompoko hivavaka ho anareo, fa izy ihany no tsy hamaliako anareo araka ny hadalanareo, satria tsy mba mifanaraka amin’ny marina tahaka ny nataon’i Jôba ny filazanareo Ahy».
9Dia nandeha i Elifaza avy any Temàna sy i Baldada avy any Sohe ary i Sôfara avy any Naamàna, nanao araka izay voalazan’i Iaveh taminy, ka nankasitrahin’i Iaveh ny fivavahan’i Jôba.
Naverin’i Iaveh amin’ny laoniny ny fananan’i Jôba.10Raha mbola nivavaka ho an’ireo sakaizany i Jôba, i Iaveh kosa namerina an’i Jôba amin’ny toetrany voalohany, ary naveriny in-droa heny tamin’i Jôba ny fananany rehetra.
11Dia tonga avokoa ireo rahalahiny sy anabaviny mbamin’ny sakaizany taloha namangy azy sy niara-nihinana taminy tao an-tranony. Nangoraka azy sy nampionona azy izy ireo, noho ny fahoriana nahatran’i Iaveh taminy teo; ary samy nanome azy kesità iray sy masom-bolamena iray avy izy rehetra.
12Nambinin’i Iaveh mihoatra noho ny tamin’ny taloha ny andro niainan’i Jôba tatỳ aoriana, ka nanana ondry 14.000, rameva 6.000, omby 1.000 tsiroaroa, ary ampondra vavy 1.000.
13Nanan-janaka fito lahy sy telo vavy izy:
14ny voalohany nataony hoe Jemimà, ny faharoa Ketsià, ary ny fahatelo Keren-Hapòka.
15Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanaka vavin’i Jôba ireo tamin’ny tany rehetra; nomen-drainy anjara lova eo amin’ireo anadahiny izy.
16Velona efapolo amby zato taona i Jôba taorian’izay; ka nahita ny zanany lahy sy ny zanaka lahin’ny zanany lahy hatramin’ny taranaka fahefatra.
17Dia maty i Jôba, efa antitra sy voky andro niainana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.