1Fony fahavelony dia lasa niantafika i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, ka nanoa azy telo taona i Jôakima; fa niodina taminy indray izy.
2Nalefan’i Iaveh hamely an’i Jôakima ny antoko-miaramila Kaldeanina, ny antoko-miaramila Sirianina, ny antoko-miaramila Moabita, ary ny antoko-miaramila Amônita, ka ny nandefasany an’ireo hamely an’i Jodà, dia ny mba handravany azy, araka ny tenin’i Iaveh izay notononiny tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony.
3Lahatr’i Iaveh tokana ihany no nahatongavan’izany tamin’i Jodà mba hanesorany azy tsy ho eo anatrehan’ny Tavany, noho ny fahotana rehetra nataon’i Manase,
4sy noho ny ra tsy manan-tsiny nalatsany be loatra ka nataony feno ra tsy manan-tsiny i Jerosalema, koa tsy nety namela izany i Iaveh.
5Ny sisa tamin’ny asan’i Jôakima mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?
6Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôakima, ka i Joasina zanany no nanjaka nandimby azy.
7Tsy nivoaka avy tany amin’ny taniny intsony ny mpanjakan’i Ejipta, fa lasan’ny mpanjakan’i Babilôna avokoa izay an’ny mpanjakan’i Ejipta, hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, ka hatramin’ny ony Eofrata.
Filazalazana ny nanjakan’i Joasina (598)(Jereo 2Tan 36,9)818 taona i Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Nohestà zanak’i Elnatàna avy ao Jerosalema.
9Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh araka izay rehetra nataon-drainy izy.
Sesitany voalohany10Niakatra hamely an’i Jerosalema ny mpanompon’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna tamin’izany, ka natao fahirano ny tanàna.
11Ary mbola nanao fahirano azy ny mpanompony no tonga teo anoloan’ny tanàna koa i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna.
12Tamin’izany dia nivoaka nankao amin’ny mpanjakan’i Babilôna i Joasina, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny reniny, ny mpanompony, ny manamboninahiny sy ny eonòkany, dia nataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona izy, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
13Nongoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao an-tranon’i Iaveh sy tao an-tranon’ny mpanjaka, ary novakina daholo ny fanaka volamena nataon’i Salômôna, mpanjakan’i Israely, tao an-tranon’i Iaveh, araka izay efa voalazan’i Iaveh rahateo.
14Nentina ho babo avokoa i Jerosalema manontolo, ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olon-tsambo-belona iray alina, mbamin’ny mpanao taozavatra rehetra sy ny mpanefy vy; ny olo-mahantra tao amin’ny tany ihany no sisa tafajanona.
15Nentina ho any Babilôna i Joasina, nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilôna ny renin’ny mpanjaka, ny vadin’ny mpanjaka rehetra, ny eonòkany, ny olo-malaza amin’ny tany.
16Fanampin’izany koa ny lehilahy mahery rehetra nisy fito arivo, mbamin’ny mpanao taozavatra sy mpanefy vy arivo lahy, samy lehilahy mahery sy mahay miady, dia nentin’ny mpanjakan’i Babilôna ho babo any Babilôna daholo.
17Ary ny natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka hisolo an’i Joasina, dia i Mataniasa rahalahin-drainy, ka novany hoe i Sedesiasa ny anarany.
Filazalazana ny fanjakan’i Sedesiasa tany Jodà (598-587)(Jereo 2Tan 36,11-12; Jer 52,1-3)1821 taona i Sedesiasa fony vao nanjaka, ary nanjaka 11 taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak’i Jeremia avy ao Lobnà.
19Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, fa naka tahaka izay rehetra nataon’i Jôakima.
20Nihatra tamin’i Jerosalema sy i Jodà izany, noho ny hatezeran’i Iaveh, mandra-panesorany azy hiala eo anatrehan’ny Tavany.
Ary niodina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna i Sedesiasa.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.