Eksaody 20 - Malagasy Catholic Bible

Ny didy folo(Jereo Deter 5,6-22; Eks 34,10-27; Mt 19,16-22; Mt 5)

1Ary Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:

2«Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.

3Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.

4Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.

5Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,

6ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.»

7«Tsy hanonom-poana ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao ianao, fa tsy avelan’i Iaveh tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.»

8«Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy.

9Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao.

10Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.

11Satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito nitsaharany, ka izany no nanasoavan’i Iaveh ny andro sabata sy nanamasinana azy.»

12«Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»

13«Tsy hamono olona ianao.»

14«Tsy hijangajanga ianao.»

15«Tsy hangalatra ianao.»

16«Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.»

17«Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao, tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny, na ny ombiny na ny ampondrany, na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao.»

18Ren’ny olona rehetra ny kotroka sy ny feon’ny trômpetra, hitany ny lelafo sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ka nangovitra sy nijanona teny lavitra teny izy ireo nony nahita izany.

19Ary hoy izy tamin’i Môizy: «Ianao ihany no aoka hiteny aminay dia hohenoinay; fa aoka tsy ho Andriamanitra no hiteny aminay, fandrao dia maty izahay».

20Fa hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Aza matahotra ianareo fa ny hizaha toetra anareo no nahatongavan’Andriamanitra, ka ho eo aminareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo».

21Dia nijanona teny lavitra teny ihany ny vahoaka, fa i Môizy no nanatona ny rahona izay nisy an’Andriamanitra.

2. FEPETRA AMIN’NY FANEKEM-PIHAVANANALalàna momba ny ôtely

22Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Hilaza amin’ny zanak’i Israely ianao hanao hoe: Efa nahita ianareo izay, fa niteny taminareo Aho tany an-danitra.

23Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena eo an-daniko ianareo.

24Manorena ôtely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao Aho amin’ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny Anarako.

25Raha manorina ôtely vato ho Ahy ianao, aza vato voapaika no arafitra, fa raha manainga ny fandrakao amin’ny vato ianao dia hahatonga azy ho tsy azo atao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

26Aza asiana ambaratonga hiakarana ny ôteliko, mba tsy hiseho eo ny fitanjahanao.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help