2Tantara 17 - Malagasy Catholic Bible

4. I JOSAFATA SY NY FITONDRANYNy herin’i Jôsafata

1I Jôsafata zanak’i Asà, no nanjaka nandimby azy. Nanamafy ny fiarovany tena tamin’i Israely,

2nametraka antoko-miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà izy, ary nametraka miaramila mponina tamin’ny tanànan’i Efraima efa azon’i Asà rainy.

Ny fiahiany ny lalàna

3Nomban’i Iaveh i Jôsafata fa nandeha tamin’ny lalana voalohany nalehan’i Davida rainy; tsy nikatsaka an’ireo Baala izy

4fa Andriamanitry ny rainy no nokatsahiny, ary narahiny ny didiny fa tsy naka tahaka ny nataon’i Israely.

5Koa nohamafisin’i Iaveh teo an-tanany ny fanjakana ary nitondran’i Jodà rehetra fanatitra i Jôsafata, ka nanan-karena amam-boninahitra be.

6Nitombo ny herim-pony teo amin’ny lalan’i Iaveh, ka noravany koa ny fitoerana avo mbamin’ny aserah teo amin’i Jodà.

7Tamin’ny taona fahatelo nanjakany, nirahiny hampianatra tany amin’ny tanànan’i Jodà, ireto lehibe ireto: i Bena-Haila, i Obdiasa, i Zakariasa, i Natanaely ary i Mikeasa,

8sy ireto Levita ireto niaraka taminy: i Semesiasa, i Nataniasa, i Zabadiasa, i Asaela, i Semiramôta, i Jonatàna, i Adoniasa, i Tôbiasa, i Tôbadôniasa; ary niaraka tamin’ireo koa ireto mpisorona ireto; i Elisamà sy i Jôrama.

9Nampianatra tao amin’i Jodà ireo, nitondra ny bokin’ny lalàn’i Iaveh; nitety ny tanànan’i Jodà rehetra, ary nampianatra teny amin’ny vahoaka.

10Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Jodà, ka tsy niady tamin’i Jôsafata izy ireo.

11Nisy Filistinina nitondra fanatitra sy vola hetra ho an’i Jôsafata; ny Arabo koa nitondra biby fiompiny taminy, dia ondralahy 7.700, sy osilahy 7.700.

12Efa nandroso amin’izay hampisondrotra azy ho amin’ny voninahitra ambony indrindra i Jôsafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitahirizana teo amin’i Jodà izy.

Ny tafika

13Nanana zavatra fitahiry betsaka izy teny amin’ny tanànan’i Jodà, ary miaramila mpiady, lehilahy mahery, tao Jerosalema.

14Toy izao no nanisana azy ireo, araka ny fianakaviany avy: Ny tamin’i Jodà dia ireto no tomponarivo: i Adnà, mpifehy, sy lehilahy mahery 300.000, niaraka taminy;

15teo anilany i Johanàna mpifehy ny lehilahy 280.000 niaraka taminy.

16Ary teo anilany i Amasiasa zanak’i Zekri, izay nanokan-tena an-tsitrapo ho an’i Iaveh sy lehilahy mahery 200.000 niaraka taminy.

17Ny tamin’i Benjamina dia i Elida lehilahy mahery, sy lehilahy nitondra tsipìka aman’ampinga 200.000 niaraka taminy;

18ny teo anilany dia i Jôzabada, sy lehilahy 180.000 samy hary fiadiana hiady niaraka taminy.

19Ireo no nanompo ny mpanjaka, afa-tsy izay napetraky ny mpanjaka tany amin’ny tanàna mimanda, eran’i Jodà rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help