Hebrio 8 - Malagasy Catholic Bible

2. Fahambonian’ny fombam-pivavahana naorin’i Kristy mpisorom-be, sy ny toeram-pivavahany ary ny maha Mpanalalana AzyFisoronana vaovao sy toeram-pivavahana vaovao

1Fa izao no tampon’ny zavatra lazaina amin’izao, dia ny ananantsika mpisorom-be toy izany, izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra,

2mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin’olona, fa naorin’ny Tompo.

3Satria ny mpisorom-be rehetra, dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona, ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa Izy.

4Raha etỳ an-tany, dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo izay manolotra fanatitra araka ny Lalàna;

5ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony, araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: «Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.»

I Kristy Mpanalalana amin’ny Fanekem-pihavananavaovao tsara noho ny taloha

6Fa ny Azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra kokoa sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.

7Eny tokoa, satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany, dia tsy nisy antony hanoloan’ny faharoa azy akory.

8Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra no miteny toy izao: Indro, hoy ny Tompo, ho avy ny andro

hanaovako fanekena vaovao amin’ny fianakavian’i Israely sy ny fianakavian’i Jodà;

9tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin’ny razan’izy ireo, tamin’ny andro nitantanako sy nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy, hoy ny Tompo;

10fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin’ny fianakavian’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako.

11Dia tsy hisy hampianatra

ny namany intsony izy, na hanao amin’ny namany hoe: Mahalalà an’Andriamanitra. Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.

12Satria havelako ny hadisoany, ary tsy hotsaroako ny fahotany.

13Manambara ny voalohany ho efa antitra izy, amin’ny filazana ny faharoa hoe vaovao; ary izay hoe tranainy sy efa antitra dia efa madiva ho levona mihitsy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help