Tobia 10 - Malagasy Catholic Bible

1Nony mbola nahemotremotr’i Tobia ny fiaingany, azon’ny fampakaram-bady, dia velona ahiahy erỳ i Tobia rainy: «Avy amin’inona, hoy izy anakampo, no tratra ela ny zanako? Inona no antony mitana azy amin’izany tany izany?

2Dia ho faty ve i Gabelosa ka tsy misy olona handraisany ny vola?»

3Izay dia tonga velona mafy ny alahelon’izy sy i Anà vadiny, ka rafitra niara-nitomany teo izy ireo, noho ity zanany tsy tafaverina tao aminy tamin’ny fotoana voatondro.

4Ireniny indrindra no namarin-dranomaso tsy an-kijanona nanao hoe: «Indrisy! Indrisy! anaka, inona foana re no nanirahanay anao any lavitra any, nefa ianao no fahazavan’ny masonay, tohan’ny fahanteranay, fanalana alahelonay amin’ny andro iainanay, ary hianteheranay tsy hahafaty maso anay.

5Nanana ny zavatra rehetra izahay raha nanana anao irery, ka tsy tokony ho nataonay lavitra anay ianao.»

6Ary hoy i Tobia taminy: «Aoka izay ny fitarainanao ary aza miahiahy, fa salama tsara ny zanatsika, sady olona tena mahatoky ilay nampandehanantsika hiaraka aminy iny.»

7Tsy azo nampanginina anefa ravehivavy; mivoaka ny trano izy isan’andro izao, mijery atsỳ sy arỳ, mankamin’ny lalana rehetra izay azo ampoizina hiverenany, mba hahatazanany azy lavidavitra ahay raha azo atao.

8I Ragoela anefa nilaza tamin’ny vinantony hoe: «Mijanòna eto, fa haniraka ho any amin’i Tobia rainao aho, hilaza ny fahasalamanao».

9Namaly azy i Tobia nanao hoe: «Fantatro fa efa manisa andro ihany idada sy ineny, ka manahy erỳ ny fanahiny ao anatiny.»

10Mbola niangavy fatratra tamin’i Tobia ihany indray anefa izy, fa tsy nisy neken’io izay nataony antony, ka natolony azy i Sarà, mbamin’ny antsasak’izay nananany rehetra, na ankizy lahy, na ankizy vavy, na biby fiompy, na rameva na ombivavy, na vola izay nananany be, dia navelany handeha izy, salama tsara sy feno hafaliana, nataony hoe:

11«Ho eny amin’ny lalana alehanareo anie ny Anjely masin’ny Tompo, ka hitari-dalana anareo mandra-pahatonganareo soa aman-tsara any aminareo; hiadana tsara anie no aoka hahitanareo ny zavatra rehetra any amin-dray aman-dreninareo, ary hahita ny zanakareo alohan’ny hahafatesako anie ny masoko.»

12Dia nalain-drainy sy reniny ity zanany vavy ka norohany, dia navelany handeha,

13rehefa avy nohafatrafarany tsara hanaja rafozana, ho tia vady, ho tsara fitondra fianakaviana, hizaka tokantrano, ary hitahiry tena tsy hanan-tsiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help