Jeremia 45 - Malagasy Catholic Bible

Teny fampaherezana an’i Baròka(Jereo Jer 39,15-18)

1Ny teny nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’i Baròka zanak’i Nerià, fony izy nanoratra ireo teny ireo tamin’ny taratasy araka ny nanononan’i Jeremia azy, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, toy izao:

2Izao no lazain’i Iaveh mpanjakan’i Israely ny aminao, ry Baròka:

3Ianao nanao hoe: «Idiran-doza aho ity! fa tsindrian’i Iaveh alahelo ny fijaliako, reraky ny misento aho, fa tsy mahita fitsaharana.» Ka lazao aminy hoe:

4Izao no lazain’i Iaveh: Indro fa izay efa noarîko ravàko, izay efa namboleko ongotako; dia izao tany rehetra izao.

5Ary ianao kosa hitady zava-dehibe ho anao? Aza mitady izany, fa indro hahatonga loza amin’ny nofo rehetra Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa ianao kosa homeko ny ainao ho babonao, any amin’izay fitoerana rehetra halehanao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help