1Tamin’ny taona faha-151, nitsoaka avy ao an-tanànan’i Rôma i Demetriosa zanak’i Seleokosa, ka teo amin’ny tanàna anankiray amoron-dranomasina no nitodiany nomban’olona vitsivitsy, ary teo izy naka ny anarana hoe mpanjaka.
2Vao tafiditra teo amin’ny fanjakan’ny razany izy, dia nosamborin’ny miaramila i Antiôkosy sy i Lisiasy, hoentiny mankany aminy.
3Nony nampandrenesina izany izy, dia hoy izy: «Aza atao mahita tava an’ireo aho.»
4Ka dia novonoin’ny miaramila ireo, ary i Demetriosa nipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany.
5Tamin’izany, nirohotra nankao aminy avokoa ny olona tsy marina sy mpankahala ny fivavahana tamin’i Israely, notarihin’i Alsima, izay naniry ho mpisorona lehibe.
6Nampangain’izy ireo tamin’ny mpanjaka ny vahoaka, nataony hoe: «Novonoin’i Jodasy sy ireo rahalahiny ny sakaizanao, ary noroahiny tamin’ny taninay izahay.
7Koa ankehitriny, maniraha izay olona mahatoky anao, handeha hizaha ny fanimbana rehetra nataony taminay, sy tamin’ny faritanin’ny mpanjaka, ary hamay ny meloka mbamin’izay rehetra manampy azy.»
8Dia nofidin’ny mpanjaka tamin’ireo sakaizany i Bakidesa governoran’ny tany any an-dafin’ny ony, lehilahy ambony indrindra teo amin’ny fanjakana, sy niraiki-po amin’ny mpanjaka; ka io no nirahiny miaraka amin’i Alsima, mpankahala ny fivavahana,
9izay nomeny toky hahazo ny laharam-pisoronana ambony indrindra, sy nodidiany hamaly ny ratsy nataon’ny zanak’i Israely.
10Nony nandeha izy ireo, ka tonga tany amin’ny tanin’i Jodà nitondra tafika lehibe, dia nandefa iraka nitondra tenim-pihavanana ho any amin’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny hamitahana azy.
11Saingy tsy nohenoin’izy ireto ny teniny noho izy tonga nomban-tafika lehibe.
12Nanatona an’i Alsima sy i Bakidesa anefa, ny antoko-mpampiana-dalàna anankiray
13mba hitady izay rariny, ary ny Asideanina izay lohalaharana teo amin’ny zanak’i Israely koa, nila fihavanana tamin’izy ireo; fa hoy izy:
14«Mpisorona taranak’i Aarôna no miaraka amin’ny tafika ka tsy mety hanisy ratsy antsika io.»
15Dia nanao tenim-pihavanana tamin’izy ireo tokoa io, sady nianiana izy hoe: «Tsy mihevitra akory ny hanisy ratsy anareo na ny sakaizanareo izahay.»
16Ka natoky izany izy ireo, kanjo nasain’io nosamborina ny 60 tamin’izy ireo, ka nasainy novonoina tamin’ny indray andro ihany, araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe:
17«Nanely ny nofo sy nandatsaka ny ran’ireo masinao manodidina an’i Jerosalema izy ireo, ary tsy nisy olona handevina an’ireny akory.»
18Koa raiki-tahotra sy nivadi-po ny vahoaka rehetra, fa tsy misy intsony izay rariny sy hitsiny amin’izy ireo, hoy ny olona, satria ny fanekena amam-pianianana nataony, nivadihany.
19Niala tao Jerosalema i Bakidesa dia nandeha nitoby teo Bezeta, nasainy nosamborina ny maro tamin’ireo niendaka tsy hiandany aminy intsony, mbamin’ny sasantsasany tamin’ny vahoaka, dia novonoiny ary navariny tao amin’ilay lava-drano lehibe ny fatin’izy ireo.
20Ary napetrak’i Bakidesa tamin’i Alsima ny tany, sady namelany miaramila hiaro azy io, dia niverina ho any amin’ny mpanjaka izy.
21Nanao izay tratry ny ainy i Alsima hahazo ny fahefam-pisoronana.
22Nivory teo aminy avokoa ireo mpanabataba ny fireneny, dia nahazo nitana ny tanin’i Jodà, ary nampidi-doza lehibe tamin’i Israely.
23Nony hitan’i Jodasy ny loza nafitsok’i Alsima sy ireo mpiandany aminy tamin’ny zanak’i Israely, izay mangidy noho izay nataon’ny Jentily aza,
24dia nitety ny tany Jodea manontolo izy, ka namay ny mpivadika sy nisakana azy tsy hiely any ambanivohitra.
25Nony hitan’i Alsima fa tonga nahery i Jodasy sy ny namany, ka tsy hahaleo an’ireo izy, dia niverina ho any amin’ny mpanjaka izy, sady niampanga azy ireo ho nanao ratsy lozan-tany.
I Nikanôra tany Jodea - Ady tao Kafarsalamà(Jereo 2Mak 14,12, 14-30)26Dia nirahin’ny mpanjaka i Nikanôra, iray amin’ireo jeneraliny malaza indrindra, sy feno fahasosorana amam-pankahalana an’i Israely, sady nomeny didy handringana ny vahoaka.
27Nony tonga tany Jerosalema i Nokanôra nitondra tafika, dia nandefa tenim-pihavanana tamin’i Jodasy sy ireo rahalahiny hisaroroany azy.
28«Aoka re, hoy izy, tsy hisy ady aminareo sy amiko; mba te ho avy aho miaraka amin’olona vitsivitsy hahita tava anareo amim-pihavanana.»
29Dia tonga teo amin’i Jodasy izy, ka nifampiarahaba, sy naneho fisakaizana teo izy roalahy, kanjo iretsy fahavalo izany, efa vonon-kisambotra an’i Jodasy.
30Nisy nampandre an’i Jodasy kosa anefa, fa fikendrena hamadika no nankanesan’i Nikanôra teo aminy, ka natahotra izy, sady nihataka tsy nety nihaona taminy intsony.
31Fantatr’i Nikanôra tamin’izay fa vaky ny tetikadiny, ka rafitra niaraka tamin’izay, teo akaikin’i Kafarsalamà, ny adin’izy sy i Jodasy.
32Nahafatesana sahabo ho 5.000 lahy ny tafik’i Nikanôra, ary nandositra nankao an-tanànan’i Davida ny sisa.
Ny nanambanana ny Tempoly(Jereo 2Mak 14,31-36)33Taorian’izany, niakatra tao an-tendrombohitra Siôna i Nikanôra, ka nivoaka avy eo amin’ny fitoerana masina ny mpisorona sasantsasany nomban’ny maro tamin’ny loholon’ny vahoaka, hiarahaba azy tamim-pihavanana, sy haneho aminy ny sorona dorana, natolotra ho an’ny mpanjaka.
34Izy kosa anefa namazivazy sy namingavinga azy, nandoto azy, nanao teny avonavona taminy,
35ary nanao izao fianianana izao tamin-katezerana: «Raha tsy atolotra ho eo an-tananko miaraka amin’izay i Jodasy sy ny tafiny, dia hodorako ity trano ity, raha vao tafaverina amim-piadanana aho.»
36Sady nivoaka an-katezerana izaitsizy izy. Ka dia niditra ny mpisorona, nitsangana teo anoloan’ny ôtely sy ny fitoerana masina, nanao tamin-dranomaso hoe:
37«Ianao, ry Tompo, no nifidy ity trano ity, hametrahanao ny Anaranao, mba ho trano fivavahana amam-pitarainana ho an’ny vahoakanao.
38Koa valio ny ratsy nataon’iny lehilahy iny, mbamin’ny tafiny; aoka ho lavon-tsabatra izy ireo. Tsarovy ny teny manevateva ny fivavahana nataony, ka aza avela hiaina ireo.»
Andron’i Nikanôra Adasà(Jereo 2Mak 15,22-24)39Niala teo Jerosalema i Nikanôra dia lasa nitoby teo akaikin’i Betsora, ary nisy antoko-miaramila Sirianina iray tonga nitsena azy.
40I Jodasy kosa nitoby teo akaikin’i Adasà, nomba-miaramila 3.000, dia nivavaka nanao hoe:
41«Ireo nirahin’ny mpanjakan’ny Asirianina dia nanevateva Anao, ry Tompo, ka tonga ny Anjelinao namono ny 185.000 tamin’izy ireo.
42Koa aringano torak’izany koa ity tafika eto anatrehanay ity anio, mba hoeken’ny sisa rehetra fa nanao teny manevateva ny fitoerana masina izy, ka tsarao araka ny haratsiam-panahiny.»
(Jereo 2Mak 15,25-36)43Dia rafitra ny adin’ireo tafika tamin’ny andro faha-13n’ny volana Adara, ka montsana mihitsy ny miaramilan’i Nikanôra ary ny tenany aza no nitsingidina voalohany teo amin’ny ady.
44Rehefa nahita an’i Nikanôra nitsingidina ny miaramila, nariany ny fitafiany, dia vaky nandositra izy.
45Nenjehin’ny Jody lalana indray andro izy ireo hatrany Adasà ka hatrany akaikin’i Gazàra, ary nampitatatata ny trômpetra avy ato aoriana.
46Ny olona avy amin’ny tanàna manodidina rehetra tany Jodea nivoaka nanarona ny Sirianina, dia niverina nifanehatra izy samy izy, ka lavon-tsabatra avokoa tsy nisy afa-nandositra na dia iray aza.
47Nendahan’ireo, ireto resy, nobaboiny izay nananany, ny lohan’i Nikanôra notapahiny mbamin’ny tanany havanana, izay nahinjiny tamim-pireharehana, ka nentiny sy nahantony nanatrika an’i Jerosalema.
48Feno hafaliana ny vahoaka ary nankalazainy toy ny androm-pifaliana lehibe izany andro izany.
49Dia naraikitra hankalazaina isan-taona izany andro izany amin’ny faha-13n’ny volana Adara.
50Ary nandry feizay kelikely ny tanin’i Jodà.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.