Osea 11 - Malagasy Catholic Bible

Sazin’i Israely tsy niraharaha ny fitiavan’Andriamanitra

1Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy;

ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.

2Nisy fiantsoana nataoko tamin’izy ireo;

nefa izy niamboho.

Nanolotra sorona amin’ny Baala izy,

sy emboka ho an’ny sampy.

3Ary Izaho nampiana-mandeha an’i Efraima,

sy nitantana azy tamin’ny sandriny,

nefa tsy fantany fa nanolikoly azy Aho.

4Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo,

dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana;

mova Aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy,

eo ambonin’ny valanoranony,

ary niondrika taminy sy nampihinana azy.

5Tsy hiverina ho any amin’ny tany Ejipta izy;

ary i Asora no ho mpanjakany,

noho izy tsy nety nibebaka.

6Hampandihizana sabatra ao an-tanànany

ka handravaka ny hidiny ary handevona izany,

noho ny fisainan’izy ireo.

Fa ny fitiavan’Andriamanitra no mahery

7Efa tapa-kevitra ny hisaraka amiko ny vahoakako;

nisy niantso azy any ambony,

nefa tsy misy miandrandra maso akory izy ireo.

8Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima,

na fanolotra anao, ry Israely?

Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an’i Adamà,

na fampanjary anao ho tahaka an’i Sebôima?

Onena ny foko ato anatiko,

ary indray miontana ny fangorahako rehetra.

9Tsy hanarana ny firehetan’ny hatezerako Aho,

tsy horavako fanindroany i Efraima.

Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona;

eo afovoanao ilay Masina,

ka tsy ho tonga Aho mitondra ny fisafoahako.

Fiverenana avy any an-tsesitany

10Hanaraka an’i Iaveh izy ireo;

hierona toy ny liona Izy,

ka rehefa mierona Izy

dia hidodododo avy any Andrefana amin-kovitra ireo zanany.

11Hidodododo avy any Ejipta izy ireo,

mangovitra toy ny voronkely

ary avy any amin’ny tany Asora toy ny domohina;

ka hamponeniko ao an-tranony,

- teny marin’i Iaveh. -

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help