Kôlôsianina 1 - Malagasy Catholic Bible

Fiarahabana

1Izaho Paoly Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Timote havana,

2mamangy ny olona masina sy ny mpino havana ao amin’i Kristy Jesoa, any Kôlôsy:

3ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika!

Fisaorana an’Andriamanitra sy vavaka(Jereo Ef 1,15-23; 13,6-7)

Tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, amin’ny fivavahana ataonay ho anareo,

4hatramin’ny nandrenesanay ny finoanareo an’i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,

5noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra, araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely.

6Ny Evanjely efa tonga atỳ aminareo, dia tonga amin’izao tontolo izao mihitsy, sady vokatra sy mitombo toy ny atỳ aminareo koa, hatramin’ny andro nandrenesanareo azy sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny marina,

7araka ny fampianarana noraisinareo tamin’i Epafrasy, izay namanay malalanay amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, sy mpandraharahan’i Kristy mahatoky tokoa, ao aminareo.

8Izy no nandrenesanay ny fitiavanareo ara-panahy.

9Koa hatramin’ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,

10ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,

11mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;

12ary misaotra ny Ray Izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olo-masina any amin’ny mazava,

13tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,

14dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.

I. AMPAHANY MOMBA NY FINOANAFahambonian’i Kristy tapitra ohatra

15Izy no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita; Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao;

16tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.

17Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.

18Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy; Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty, mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy;

19satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra;

20ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.

Nomena anjara amin’ny famonjena ny Kôlôsianina(Jereo Ef 4,18-19)

21Ianareo koa fahiny, dia lavitra Azy sy fahavalony, tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo,

22fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,

23raha tahiny ianareo maharitra sy miorina mafy amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely, izay efa renareo sy notorina taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.

Fisasaran’i Paoly tamin’ny Jentily(Jereo Ef 3,1-13)

24Ary ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny Tenany, dia ny Eglizy;

25fa voatendry ho mpandraharaha Azy aho noho ny nanomezan’Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo, mba hitoriako ny tenin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany,

26dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin’ny taranaka maro nifandimby, fa naseho kosa ankehitriny tamin’ny olona masina,

27dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.

28Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;

29ary izany indrindra no iasako sy iadiako mafy, araka ny heriny izay iasàny fatratra ato amiko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help