Zakaria 11 - Malagasy Catholic Bible

1Vohay ny vavahadinareo, ry Libàna,

ary koa ho levon’ny afo ny sederanao!

2Midradradradrà, ry sipresa, fa lavo ny sedera,

voasimba ny hazo tsara mahagaga.

Midradradradrà, ry oaka ao Basàna,

fa ripaka ny ala mikirindro!

3Re mitomany migogogogo ny mpiandry ondry,

satria rava ny voninahiny;

re mieronerona ny liona tanora,

fa rava izay nireharehan’i Jordany.

Mpiandry ondry roa

4Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitro: «Aoka ianao ho mpiandry an’ireo ondry atao famono,

5izay vonoin’ny mpividy azy ka tsy misy mpiaro, ary ataon’ny mpivarotra azy hoe: ‹Hisaorana anie i Iaveh fa mitombo harena aho!› Ary ny mpiandry tsy mitsimbina azy akory.

6Fa tsy hitsitsy ny mponina amin’ny tany intsony Aho, - teny marin’i Iaveh - indro Aho hanolotra ny lehilahy samy ho eo an-tanan’ny namany avy, sy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy, ka handrava ny tany ireo, nefa tsy hanafaka amin’ny tanan’ireo Aho.»

7Dia nilatsaka ho mpiandry ireo ondry natao famono aho, mbamin’ireo mahantra indrindra amin’ny andiany. Naka tehim-piandrasana roa aho, ka ny iray nataoko hoe i Fahasoavana; ary ny iray nataoko hoe i Kofehy; dia nandrasako ny ondry.

8Telo no mpiandry noesoriko tanatin’ny iray volana monja.

Ary izaho, tsy nahatsindry fo tamin’ny ondry; izy ireo koa tofoka ahy.

9Dia hoy aho: «Tsy hiandry anareo intsony aho, fa matesa izay ho faty, vereza izay ho very, ary mifampihinàna izay sisa!»

10Nalaiko ilay tehiko Fahasoavana, dia notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena nataoko tamin’ny firenena rehetra.

11Dia voatapaka tamin’izay andro izay io ka dia fantatr’ireo ondry mahantra indrindra, izay nanao ahy ho zavatra, fa izany no tenin’i Iaveh.

12Ary hoy aho taminy: «Omeo ny karamako, raha tsara eo imasonao izany; fa raha tsy izany, aza manome foana.» Dia nolanjain’izy ireo ny karamako ka sikla volafotsy telopolo.

13Ary hoy i Iaveh tamiko: «Atsipazo ao amin’ny mpanefy tanimanga izany, dia izay vidy be nanombanana ahy!» Dia noraisiko ny vola telopolo sikla ka natsipiko tao an-tranon’i Iaveh ao amin’ny mpanefy tanimanga.

14Raha efa izany, notapahiko koa ilay tehiko, i Kofehy, hanafoanako ny firahalahian’i Jodà sy i Israely.

15Hoy i Iaveh tamiko: «Raiso amin’izao ny forongon’ny mpiandry vaovao.

16Fa indro Aho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hanan-draharaha amin’ny ondry maniasia, tsy hitady ny mihahaka, tsy hitsabo ny naratra, tsy hamahana ny salama, fa hihinana ny nofon’izay matavy, sy hamaky ny kitrony.

17 Loza ho an’ny mpiandry tsinontsinona, izay mandao ny ondry! Aoka hasian’ny sabatra ny sandriny sy ny masony ankavanana; ka ny sandriny ho maina, ary ny masony ankavanana ho faty!»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help