Salamo 129 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 129 (Volgata 128)Hanoherana ny fahavalon’i Siôna

1 Fihirana fiakarana.

Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho; -

- aoka i Israely hilaza izany! -

2Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho,

nefa tsy naharesy ahy izy ireo.

3Nolahasainy ny lamosiko,

nosoritany vava asa lava ao.

4Marina anefa i Iaveh,

ka notapahiny ny famatorana nataon’ny ratsy fanahy.

5Aoka ho menatra sy hiamboho eny,

izay rehetra mankahala an’i Siôna!

6Aoka hanahaka ny ahitra an-tafon-trano izy,

izay malazo alohan’ny hanongotana azy.

7Ny mpijinja tsy mahafeno tanana amin’izany,

sy ny mpamehy amboara ny ampofoany.

8Any ny mpandalo tsy mba manao hoe:

Ho aminareo anie ny fitahian’i Iaveh!

- Mitso-drano anareo amin’ny anaran’i Iaveh izahay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help