Salamo 143 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 143 (Volgata 142)Fitalahoana raha voa

1Salamon’i Davida.

Iaveh ô, henoy ny fivavahako;

atongilano ny sofinao amin’ny fitalahoako;

valio vavaka aho, amin’ny fahitsianao amam-pahamarinanao.

2Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao amin’ny fitsarana,

fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3Mitady ny aiko ny fahavalo,

manitsaka ny aiko amin’ny tany izy;

asesiny ao amin’ny fitoerana maizina aho,

mova tsy olona efa maty ela!

4Reraka ny fanahiko ato amiko,

mitebiteby ny foko ato an-kiboko.

5Heveriko ny andro taloha,

sainiko ny asanao rehetra,

eretiko ny asan-tananao.

6Mananty tanan-droa aminao aho,

ka maniry Anao, toy ny tany mangentana, ny fanahiko.

- Selà

7Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh,

fa reraka eo ihany ny fanahiko;

aza manafina ny Tavanao amiko,

fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.

8ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho,

fa Ianao no itokiako;

atoroy ny lalana tokony halehako aho,

fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.

9Afaho amin’ny fahavaloko aho, ry Iaveh,

fa ao aminao no ialofako.

10Ampianaro hanao ny sitraponao aho

fa Ianao no Andriamanitro.

Ny fanahinao tsara anie hitarika ahy,

eo amin’ny lala-mahitsy.

11Iaveh ô, velomy aho, noho ny Anaranao,

esory amin’ny fahoriana ny fanahiko, noho ny fahamarinanao.

12Fongory ny fahavaloko, noho ny hatsaram-ponao;

ary aringano avokoa izay mpampahory ahy,

fa mpanomponao aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help