Tito 3 - Malagasy Catholic Bible

Adidin’ny mpino amin’ny ankapobeny

1Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,

2tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin’ny olona rehetra.

3Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.

4Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona,

5dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,

6Izay nampidininy be dia be tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika;

7mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.

Torohevitra manokana ho an’i Tito

8Teny marina tokoa izany ka tiako hoanterinao tsara ny filaza azy, mba hikely aina amin’ny fanaovana asa soa izay mino an’Andriamanitra. Izany no tsara sy mahasoa ny olona.

9Fa raha ny amin’ny fandinihan-javatra tsy misy heviny kosa, mbamin’ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ny ady hevitra foana momba ny Lalàna, dia ialao ireny, fa sady tsy mahasoa no zava-poana.

10Ny olona tia fisarahan-kevitra koa ialao rehefa nanarinao tsy zaka, indray maka na indroa,

11satria fantatrao fa efa ratsy mihitsy ny toy izany sady manota, fa ny tenany aza no manameloka azy.

Hafatra sy firariana ary veloma

12Rehefa maniraka an’i Artemasy na i Tisìko atỳ aminao aho, dia tongava faingana atỳ amiko atỳ Nikôpôlisy, fa mikasa handany ny ririnina any aho.

13Vonony tsara izay ilain’i Zenasy mpahay ny Lalàna sy i Apôlô amin’ny diany, mba tsy hisy tsy ampy izay ilainy.

14Aoka ny havantsika iray finoana koa hianatra hanao asa soa mba ho afa-manampy rehefa misy mahaporitra, fandrao olona tsy misy vokany izy.

15Manao veloma anao avokoa izay rehetra tia antsika amin’ny finoana. Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help