1Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra,
miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.
2Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako,
Andriamanitro izay itokiako.»
3Fa Izy no manafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza,
sy ny pesta mandoza.
4Hanarona anao amin’ny elany Izy,
ary hahita fialofana ao ambany volon’elany, ianao.
Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.
5Tsy misy hatahoranao, na ny fampitahorana amin’ny alina,
na ny zana-tsipìka manidina amin’ny antoandro,
6na ny pesta misoko anatin’ny haizina,
na ny areti-mifindra, mandripaka amin’ny mitatao vovonana.
7Na misy arivo lavo eo anilanao aza,
sy iray alina eo ankavananao,
ianao tsy mba ho tratra.
8Hijery maso fotsiny ianao,
ka hahita ny valy hanjò ny ratsy fanahy.
9Fa ianao efa nilaza hoe: «Fiarovana ahy Ianao, ry Iaveh!»
Nanao ny Avo Indrindra ho fialofanay ianao.
10Ny fahoriana tsy hihatra aminao,
tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory.
11Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao,
mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra:
12ka hivimbina anao eny an-tanany ireo,
fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.
13Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao,
hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao.
14Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy;
hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy.
15Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho;
homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho.
Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
16Hovokisako andro lava izy,
ary hanehoako ny famonjeko.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.