1Ary i Asoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany be sy ny nosy eo amin’ny ranomasina.
2Moa tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Media sy i Persa avokoa va ny zavatra momba ny fahefany sy ny herim-po nataony, ary ny andinindininy momba ny fahalehibeazana nanandratan’izy mpanjaka an’i Mardokea.
3Fa ny Jody Mardokea dia filohan’ny mpandraharahan’i Asoerosy mpanjaka, malaza teo amin’ny Jody, mamin’ny rahalahiny be dia be, nitady izay hahasoa ny fireneny, ary niteny ny amin’izay hahasambatra ny iray razana aminy rehetra.
Tapitra eo ny boky amin’ny teny Hebrio. Tapatapany fanampiny hita amin’ny dikan’ny Soratra Masina amin’ny teny Grika.
4Dia hoy i Mardokea: «Andriamanitra no nanao izany zavatra rehetra izany!
5Tsaroako tokoa ny nanofisako ny amin’izany ka tsy misy tsy tanteraka ny andinindininy, na dia iray aza:
6Ny loharano kely nanjary ony, ny fahazavana niseho, ny masoandro, ary ny rano be: Ny ony, dia i Estera, izay nalain’ny mpanjaka ho vady, sy nataony mpanjakavavy.
7Ny dragona roa, dia izaho sy i Amàna.
8Ny firenena, dia ireo izay nivory nahafoana ny anaran’ny Jody:
9ary ny fireneko dia i Israely, izay nitaraina tamin’Andriamanitra ka voavonjy. Tamin’izany ny Tompo namonjy antsika, sy nanafaka antsika tamin’izany loza rehetra izany; nanao famantarana amam-pahagagana lehibe, tsy mba hita teo amin’ny firenena, Andriamanitra.
10Hahatanterahan’izany no nandaharany anjara roa, ny iray ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, ary ny iray ho an’ny firenena rehetra.
11Izany anjara roa izany dia tonga tamin’ny ora sy fotoana ary andron’ny fitsarana, eo anatrehan’Andriamanitra, ho an’ny firenena rehetra.
12Dia nahatsiaro ny vahoakany Andriamanitra sy nanao fitsarana ho an’ny lovany.
13Ka ireo andron’ny volana Adara ireo, ny faha-14 sy faha-15n’izany volana izany, dia hankalazain’izy ireo am-pivoriana amin-kafaliana sy firavoravoana eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny taranaka hatrany hatrany, eo amin’i Israely vahoakany.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.