1Nitodika aho dia nahita
ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambany masoandro:
ao ny ampahoriana, vonton-dranomaso,
ary tsy misy olona manala alahelo azy.
Iharan’ny fanaovana an-kerin’ireo mpampahory azy,
ary tsy misy olona manala alahelo azy.
2Dia loa-bava aho niantso ho sambatra ny maty izay efa maty,
noho ny velona izay mbola velona izao.
3Ary sambatra noho izy roa tonta ireo indray aza,
ny tsy mbola àry akory,
ka tsy nahita ny asa ratsy,
atao atỳ ambany masoandro.
4Hitako fa ny asa rehetra
mbamin’ny fahakingana rehetra amin’ny taozavatra
dia ny fialonana mihatra amin’olona
avy amin’ny namany ihany;
koa dia zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.
5Ny adala manohon-tanana ihany,
sady mihinana ny nofon’ny tenany.
6Aleo tanana ila feno fiadanana;
toy izay tanan-droa feno fisasarana amam-panenjehan-drivotra.
7Nitodika aho ka nahita zava-poana hafa atỳ ambany masoandro:
8Misy olona mitoetra irery, ka tsy misy anankiray hafa miaraka aminy,
tsy zanaka, tsy rahalahy,
kanefa aza lava tsy misy farany ny azy,
ary tsy afa-dian-karena ny masony:
Ho an’iza àry ity iasako,
sy tsy ampananako fiadanana ny fanahiko?
Zava-poana koa izany, ary lahasa ratsy.
9Aleo roa miara-mitoetra, toy izay manirery:
fa rehefa olon-droa dia misy karama be azony amin’ny asany.
10fa raha lavo izy ireo, azon’ny anankiray arenina ny namany.
Fa loza kosa no mahazo ny manirery,
ka lavo tsy misy namana hanarina azy!
11Izao koa, raha roa no miara-mandry, mafanafana izy roroa;
fa raha olona iray monja kosa, ahoana no hahafana azy?
12Ary raha misy maharesy ny irery,
ho voatohitry ny roa ihany kosa;
ary ny kofehy telo olana tsy mora tapahina.
13Aleo zatovo mahantra sy hendry,
toy izay mpanjaka antitra sy adala,
tsy mety mihaino torohevitra intsony;
14fa nivoa-kanjaka, avy ao an-tranomaizina izy,
na dia teraka mahantra teo amin’ny fanjakany aza.
15Nahita ny velona rehetra izay mihetsiketsika ambany masoandro aho,
teo anilan’ilay tovolahy nitsangan-kisolo ny mpanjaka antitra.
16Tsy nisy fahataperana izany vahoaka be rehetra izany,
dia ireo rehetra ireo izay notarihiny lalana avy eo aloha.
Nefa ny taranaka tsy hifaly aminy akory.
Zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.
17Tandremo ny tongotrao
raha mankany an-tranon’Andriamanitra ianao;
fa ny manatona hihaino
no tsara noho ny manatitra sorona, araka ny fanaon’ny adala;
satria entin’ny fahalalany hanao ratsy izy ireny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.