1 Salamon’i Davida. Ho fampahatsiarovana.
2Ry Iaveh ô, aza mamay ahy amin’ny fahatezeranao;
aza manasazy ahy amin’ny fahaviniranao.
3Fa nahavoa ahy ny zana-tsipìkanao;
ary nanindry ahy ny tananao.
4Tsy misy salama ny nofoko noho ny hatezeranao;
ary tsy misy tsy marofy ny taolako noho ny fahotako.
5Fa misondrotra manafotra ny lohako ny fahotako,
toy ny enta-mavesatra izy mahareraka ahy amin’ny havesarany.
6Maimbo sady mihady ny feriko
azon’ny fahadalako.
7Mitanondrika rera-po indrindra aho,
mamindra amin’ny fisaonana mandavan’andro.
8Ny valahako hanin’ny aretina mahamay;
ary ny nofoko tsy misy salama.
9Osa loatra aho sy torovana izaitsizy,
velon-tsento aho noho ny tebitebin’ny foko.
10Tompo ô, eo anatrehanao avokoa ny faniriako,
ary tsy miafina aminao ny sentosentoko.
11Ny foko miemponempona, ny heriko nandao ahy;
ary ny fahiratan’ny masoko aza tsy ato amiko intsony.
12Manalavitra ny feriko ny sakaiza ama-namako,
ary ny havako mihatakataka amiko.
13Izay mitady ny aiko mamela-pandrika;
izay mikendry ny fahoriako manonona fandrahonana,
tontolo andro izy misaina tetik’ady.
14Izaho izany efa tahaka ny marenina tsy mahare;
efa tahaka ny moana izay tsy mahaloa-bava.
15Mova aho tsy ny olona tsy mandre,
izay tsy manan-kavaly haloaky ny vavany.
16Ao aminao, ry Iaveh, ny fanantenako;
Ianao, ry Tompo Andriamanitro, no hamaly!
17Fa hoy izaho: «Enga ka tsy ho antom-pifaliany aho,
enga anie ka tsy hitsangan-kamely ahy izy
ireo raha mangozohozo ny tongotro.»
18Fa mila ho lavo aho,
ary eo anatrehako lalandava ny alaheloko.
19Fa dia miaiky ny heloko aho;
raiki-tahotra aho noho ny fahotako.
20Ny fahavaloko be aina ary mahery;
izay mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana nitombo isa.
21Mamaly ratsy ny soa izy ireo amiko;
mankahala ahy izy noho izaho mitady ny rariny.
22Aza ilaozanao aho, ry Iaveh ô!
Aza halavirinao aho, ry Andriamanitro ô!
23Faingàna hamonjy ahy Ianao,
ry Tompo, Ianao ilay famonjena ahy!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.