1Dia niteny tamin’i Jôba i Iaveh ka nanao hoe:
2«Te hiady amin’ny Tsitoha va io mpanadidy azy io?
mahavaly va izay mifandahatra amin’Andriamanitra?»
3Fa namaly an’i Iaveh i Jôba, ka nanao hoe:
4«Inona moa no havaliko Anao izay izaho tsinontsinona ity?
fa dia mitampim-bava aho.
5Efa niteny indray mandeha, ka tsy hamaly intsony,
efa indroa aza, ka tsy hanampy aho, na dia kely aza.»
LAHATENY FAHAROAFahefan’Andriamanitra amin’ny herin’ny ratsy.6Mbola niteny tamin’i Jôba i Iaveh, tao amin’ny tafio-drivotra ka nanao hoe:
7«Misikìna àry toy ny lehilahy,
fa hanadina anao Aho, ka hampianatra Ahy ianao.
8Tianao va ny hanafoana ny fananako ny rariny,
dia hanameloka Ahy mba hanamarina ny anao?
9Manan-tsandry toy ny an’Andriamanitra va ianao,
ary mikotrokotroka tahaka ny Azy va ny feonao?
10Miravaha fahalehibeazana amam-piamboniana ianao;
ary mitafia voninahitra amam-piandrianana;
11Ampàro ny fisafoaky ny hatezeranao,
na iza na iza mpiavona dia aetreo amin’ny indray mijery!
12Aforeto amin’ny fijerinao fotsiny ny mpiavonavona;
montsàny eo am-pitoerany ny ratsy fanahy.
13Ataovy indray manitrika ao amin’ny vovoka izy rehetra;
hidio ao amin’ny maizina izy rehetra.
14Amin’izay dia Izaho koa no hanaiky
fa ny tananao ankavanana mahavonjy anao.
I Behemota15Jereo ange i Behemota izay noarìko toa anao koa:
mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
16Jereo ange fa ao amin’ny valahany ny tanjany,
ary ny heriny dia ao amin’ny hozatry ny lanivoany!
17Ajorony hoatra ny sedera ny rambony,
miray ho fehezana mafy ny hoza-peny.
18Fantsona varahina ny taolany;
bara vy ny taolan-tehezany.
19Loha laharana izy amin’ny asan’Andriamanitra;
nomen’ny Nahary sabatra izy.
20Mahavokatra vilona ho azy ny tendrombohitra;
milalao manodidina azy ny biby an-tsaha rehetra.
21Mandry eo ambanin’ny tamotamo izy,
any am-pierena anaty volotara amin’ny heniheny.
22Manalokaloka azy ny tamotamo,
manodidina azy ny hazomalahelo eny amorona.
23Na tondraka aza ny ony, tsy matahotra izy;
na hisondrotra havavany aza i Jordany, dia tsy miraika izy.
24Moa ho azo atao va ny misambotra azy manatrika,
ao amin’ny harato, ary managorobaka ny orony?
I Leviatàna25Mahasarika an’i Leviatàna amin’ny farango va ianao,
sy mahageja ny lelany amin’ny hazakazaka?
26Sa mahatsofoka zozoro amin’ny vavorony,
sy mahaboroaka ny valanoranony amin’ny masom-by?
27Hifon-jato amin’arivo aminao va izy,
hanao teny malefaka aminao?
28Hanao fanekena aminao va izy;
ka halainao ho mpanompo mandrakizay?
29Hilalao azy toy ny filalao fody va ianao,
sy hamatotra azy holalaovin’ny zanakao vavy?
30Ataon’ny mpiara-manjono varotra va izy,
ka tsinjarainy amin’ny mpandranto?
31Mahaloadoaka ny hodiny amin’ny zana-tsipìka va ianao,
na mahatrobaka ny lohany amin’ny firombaka?
32Andramo ny hisambotra azy,
ka tsarovy ny ady, fa tsy hanindroa intsony ianao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.