Ohabolana 9 - Malagasy Catholic Bible

Fanasana iantsoan’ny Fahendrena(Jereo Mt 22,1-14)

1Ny Fahendrena efa nanorina ny tranony,

efa nipaika ny andriny fito,

2efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy,

ary efa nanamboatra ny latabany.

3Naniraka ny ankizy vaviny izy, dia miantso

eo an-tampon’ny havoan’ny tanàna:

4Aoka hiditra atỳ izay kely saina!

Ary hoy izy amin’izay tsy manan-tsaina:

5«Avia, hano ny mofoko,

ary sotroy ny divay nampifangaroiko.

6Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo;

ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina.»

Hanoherana ny mpanaraby

7Araby no azon’izay mananatra ny mpananihany,

ary ala baraka no hitan’izay mandevilevy ny ratsy fanahy.

8Aza mananatra ny mpananihany fandrao dia hàlany ianao;

fa ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.

9Omeo hevitra ny hendry, hihahendry kokoa;

toroy saina ny marina, hitombo fahalalana.

10Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena;

ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an’ilay Masina.

11Fa izaho no hihamaroan’ny andronao,

sy hitomboan’ny taona iainanao.

12Raha hendry ianao, dia soa ho anao ny hendry;

fa raha mpamazivazy kosa, ianao ihany no hivesatra ny sazin’izany.

13Ny fahadalana dia vehivavy vavàna,

donto saina, ary tsy mahalala na inona na inona.

14Mipetraka eo am-baravaran’ny tranony izy,

mitaingin-tseza eo an-tampon’ny havoan’ny tanàna,

15mba hiantso ny mpandalo,

izay mizotra amin’ny lalan-kalehany.

16Aoka hiditra atỳ, izay kely saina!

Ary hoy izy amin’izay tsy manan-tsaina:

17Mamy ny rano angalarina,

ary fy ny mofo hanina am-piafenana!

18Tsy fantany fa misy ambiroa ao,

ary efa any amin’ny fanambanin’ny Seoly sahady ny nasainy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help