Salamo 26 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 26 (Volgata 25)Vavaky ny tsy manan-tsiny

1 Nataon’i Davida.

Tsarao aho, ry Iaveh, fa nandeha tamin’ny tsy fananan-tsiny aho,

I Iaveh no itokiako ka tsy hangozohozo aho.

2Tsapao toetra aho, ry Iaveh, diniho aho,

tsapao amin’ny memy ny kiboko sy ny foko;

3Fa ny famindram-ponao no eo anoloan’ny masoko,

ary mandeha amin’ny fahamarinana aho.

4Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olona fandainga aho;

tsy miara-mandeha amin’ny olona manao an-kifonofono;

5hàlako ny fivorian’izay manao ratsy,

tsy mipetraka hitsara miaraka amin’ny ratsy fanahy aho.

6Manasa ny tanako amin’ny tsy fananan-tsiny aho,

ary manodidina ny ôtelinao aho, ry Iaveh,

7mba handefa feo fiderana

ary hitantara ny asanao mahagaga rehetra.

8Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô,

dia ny fitoerana ipetrahan’ny voninahitrao.

9Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin’ny an’ny mpanota,

ary ny aiko miaraka amin’ny an’ny olona mpandatsa-dra,

10fa ny tanan’ireny misy heloka

ary ny tanany ankavanana feno kolikoly.

11Fa izaho kosa mandeha amin’ny tsy fananako tsiny;

afaho sy amindrao fo aho.

12Tafapetraka amin’ny tany marina ny tongotro;

hisaotra an’i Iaveh ao am-piangonana aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help