1Ilay velona mandrakizay, no nahary ny zavatra rehetra tsy an-kanavaka.
2Ny Tompo irery no marina.
3Tsy misy olona nataony hahatanisa ny asany.
Ary zovy no mahaseho ny halehibeazany?
4Iza no mahalaza ny fahefana tsitoha izay ao amin’ny fiandrianany?
Zovy koa no hahavisavisa ny famindram-pony?
5Tsy misy hanalana tsy misy hampiana,
tsy azo takarina ny asa mahagaga ataon’ny Tompo.
6Rehefa tapitra mikaroka ny olombelona,
vao eo amin’ny manomboka ihany;
ary nony mijanona izy, tsy hitany izay hoheverina.
Tsinontsinona ny olombelona7Inona koa ny olombelona, ary mahasoa amin’inona izy?
Inona no hasambarany, ary inona no lozany?
8Ny isan’ny andro iainan’ny olombelona dia zato taona raha betsaka.
9Toy ny rano indray mitete nalaina tamin’ny ranomasina
sy toy ny vongam-pasika iray,
ny isan’ny taonany vitsy, miolotra amin’ny andro mandrakizay.
10Izany no anton’ny andeferan’ny Tompo amin’ny olombelona,
sy androtsahany ny famindram-pony amin’izy ireo.
11Hitany sy fantany fa mahonena ny fiafaràny,
izany no hamelany heloka amin-kalalaham-po.
12Ny olombelona manao famindram-po amin’ny namany,
fa Andriamanitra kosa, manao famindram-po mahazo ny nofo rehetra.
Mananatra Izy, mamay Izy, manoro Izy,
ary mamerina ho ao am-bala, toy ny mpiandry ondriny.
13Mamindra fo amin’izay mandray ny famaizana Izy,
sy amin’izay malaky manatanteraka ny didiny.
Ny fomba enti-manome14Anaka, aza arahin-datsa ny soa ataonao,
na teny mampalahelo ny fanomezanao rehetra.
15Moa ny ando tsy mampangatsiatsiaka ny hafanan’ny rivotra?
Toy izany koa ny teny soa, mihoatra noho ny fanomezana,
16Tsy hitanao va fa tsara mihoatra noho ny fanomezana ny teny?
Ny olona mahafinaritra manambatra azy roa ireo.
17Ny adala manao teny maharary,
ary ny fanomezan’ny mpialona, mahamaina ny maso.
Mandiniha, tsinjovy ny ho avy18Mandiniha, alohan’ny hitenenanao,
mitandrema ny fahasalamanao alohan’ny aretina.
19Mandiniha tsara alohan’ny fitsarana,
dia hahazo sitraka ianao amin’ny fotoan’ny famotorana.
20Manetre tena alohan’ny hahararianao,
ary miverena amin’Andriamanitra, raha tafalatsaka amin’ny ota.
21Aza mety hosakanan’inona na inona,
tsy hanefa ny voadinao amin’ny fotoana mety
ary aza miandry ny efa ho faty, vao manefa ianao.
22Miomàna aloha, vao manao voady,
fa aza manao toy ny olona maka fanahy an’Andriamanitra.
23Mihevera ny fahatezerana, amin’ny andro farany,
dia amin’ny fotoana famaliana, hanodinan’Andriamanitra ny tavany.
24Amin’ny fotoana ananam-be, mihevera ny andron’ny hanoanana.
Amin’ny andro ananan-karena, mihevera ny fahantrana amana mosary.
25Miovaova ny fotoana hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva:
faingana toy izany ny fiovana rehetra eo anatrehan’Andriamanitra.
26Ny olon-kendry, mitandrin-tena amin’ny zavatra rehetra;
amin’ny andron’ny fahotana izy, miaro tena tsy ho diso.
27Rehefa mety ho olona manan-tsaina dia mahalala ny fahendrena;
sady manome haja an’izay nahita azy.
28Izay mahafantatra ny lahatenin’ny hendry
dia olona hendry koa ny tenany,
ka mamafy ny foto-kevitra lavorary.
Mahafeheza tena29Aza mety hoentin’ny fitsiriritanao,
ary fehezo ny fanirianao.
30Raha avelanao hanaram-po amin’ny fitsiriritany ny fanahinao,
dia hataony fihomehezan’ny fahavalonao ianao.
31Aza ataonao foto-kafalianao ny habetsahan’ny hanim-py,
ary aza mandraikitra fikambanana amin’izany.
32Aza mampahantra tena, misambotra hanaovam-pihinanam-be,
ary raha tsy misy na inona na inona, amin’ny kitapom-bolanao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.