Salamo 31 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 31 (Volgata 30)Vavaky ny tra-pahoriana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.

2Iaveh ô, Ianao no nataoko fialofako;

aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana!

vonjeo amin’ny fahamarinanao aho.

3Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy.

Aoka ho vatolampy fiarovana ahy Ianao,

ho trano mimanda hahitako famonjena.

4Fa Ianao no vatolampy sy trano mimandako;

ary noho ny Anaranao dia hitondra sy hitarika ahy Ianao.

5Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato novelariny Ianao;

fa Ianao no fiarovana ahy.

6Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko,

dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.

7Hàlako izay manaja sampy foana:

fa raha izaho dia i Iaveh no itokiako.

8Hientan-kafaliana sy haravoana noho ny hatsaram-ponao aho;

fa nijery ny fahantrako Ianao,

nahita ny fahorian’ny fanahiko Ianao,

9ary tsy nanolotra ahy teo am-pelatanan’ny fahavaloko Ianao;

fa nampitoetra ny tongotro teo amin’ny malalaka.

10Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa tra-pahoriana aho:

simban’alahelo ny masoko,

mbamin’ny fanahiko sy ny kiboko.

11Ny aiko lanin’alahelo;

ny taonako difotry ny sento;

ny heriko levona noho ny fahotako;

ary ny taolako fohatra.

12Nataon’ny fahavaloko rehetra izay hahatonga ahy ho fanalam-baràka,

ho enta-mavesatra ho an’ny mifanolo-bodirindrina amiko,

ary ho tahotra ho an’ny sakaizako.

Izay mahita ahy any ivelany mandositra ahy,

13zavatra fanadino aho, toy ny maty, lavitra ny fon’ny olona;

mova tsy ny kapoaka vaky iny aho.

14Reko avokoa ny vava ratsin’ny be sy ny maro,

ny fangorohoroana mahazo ny manodidina,

raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo,

fa miray tetika hamono ny aiko.

15Nefa matoky Anao aho, ry Iaveh,

hoy aho hoe: Andriamanitro Ianao.

16Eo an-tananao ny anjarako,

afaho amin’ny tanan’ny fahavaloko ama-mpanenjika ahy aho!

17Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny Tavanao;

vonjeo amin’ny fahasoavanao aho!

18Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso Anao;

fa aoka ho an’ny ratsy fanahy ny henatra.

Aoka izy hidina mangina any amin’ny Seoly.

19Aoka hanjary moana ny molotra mandainga,

izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina

amim-piavonavonana amam-paniratsirana.

20Akory ny haben’ny hatsaram-ponao,

izay tahirizinao ho an’ireo matahotra Anao,

izay asehonao amin’ireo manao Anao ho fialofany,

eo imason’ny zanak’olombelona!

21Alofanao eo amin’ny aloky ny Tavanao izy;

mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy;

mpampiery azy ao an-dainao Ianao,

mba tsy ho azon’ny lela mamely azy izy.

22Hisaorana anie i Iaveh!

fa nasehony miharihary ny famindram-pony tamiko,

tamin’ny nametrahany ahy tao an-tanàna mimanda.

23Hoy aho tamin’ny fahatairako:

«Nariana lavitra ny fijerinao aho!»

Kanjo nihaino ny feon’ny fifonako Ianao,

nony nitaraina taminao aho.

24Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy;

Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh,

fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.

25Matokia ary mahereza fo,

ianareo rehetra manantena an’i Iaveh!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help