Ekleziastika 19 - Malagasy Catholic Bible

1Ny mpiasa manaram-po amin’ny divay, tsy mba hanan-karena;

izay tsy mikarakara ny kely ananany ho latsaka vetivety amin’ny faharavana.

2Mampiavona ny olona manan-tsaina ny divay sy ny vehivavy,

ary tsy malina izay miraikitra amin’ny vehivavy janga.

3Ho rembin’ny olitra sy ny kankana ireny,

ary ho fongotra ny fanahy meloka.

Aza basy vava

4Izay malaky minomino foana, dia olona maivan-tsaina,

ary manota amin’ny fanahiny, izay latsaka amin’izany hadisoana izany.

5Izay minia mifaly amin’ny lahateny adala, hohelohina,

6ary izay mankahala ny habasiam-bava, miaro tena amin’ny loza.

7Aza mitati-teny na oviana na oviana,

dia tsy ho faty antoka na oviana na oviana ianao.

8Aza milaza izany, na amin-tsakaiza na amim-pahavalo,

ary aza manambara izany, afa-tsy raha hahadiso anao, tokana.

9Fa raha reny ianao, hitandrin-tena izy aminao,

ary mbola any ny andro, hisehoany ho fahavalonao.

10Raha mandre resaka be vava ianao, ento maty izany,

aza manana ahiahy, tsy hampipoaka anao izany.

11Raha misy teny iray tsy maintsy hotanany, dia mijaly ny adala,

toy ny vehivavy mihetsi-jaza.

12Sahala amin’ny zana-tsipìka tafatsatoka amin’ny fe,

ny teny iray amin’ny fon’ny adala.

Hamarino izay heno

13Anontanio ny sakaizanao, fa angamba tsy nanao ihany izy;

ary raha nanao ihany izy, dia tsy mba hanao izany intsony.

14Anontanio ny sakaizanao, fa angamba tsy nilaza izany izy,

ary raha nilaza izany izy, dia tsy mba hamerina intsony.

15Anontanio ny sakaizanao, fa matetika misy endrikendrika,

ka aza mino izao lazain’ny olona rehetra izao ianao.

16Misy mba diso ihany, nefa tsy fanahy iniana;

ary zovy moa no tsy nanota tamin’ny lelany?

17Anontanio ny sakaizanao, alohan’ny handrahona azy,

ary miraiketa ianao amin’ny fitandreman’ny lalàn’ny Avo Indrindra.

Ny tena fahendrena sy ny sandoka

18Ny fahendrena rehetra, dia ao amin’ny fahatahorana ny Tompo;

ary ao amin’ny fahendrena rehetra, ny fanatanterahana ny lalàna.

19Ny fahendrena, tsy mba ny fahaiza-manao ratsy;

ary ny fahamalinana tsy mba hita amin’ny torohevitry ny mpanota.

20Misy fahaizana tokony hankahalaina,

ary misy hadalana izay tsy inona fa tsy fahampian’ny fahendrena.

21Aleo olona kely fahiratan-tsaina matahotra an’Andriamanitra

toy izay olona be fahazavan-tsaina mandika ny lalàna.

22Misy mahay tokoa nefa mandika ny rariny,

ary misy mandainga amin’ny ady atsangany

mba hampamoaka fitsarana araka ny iriny.

23Misy ratsy fanahy mandeha manjoko azon’ny alahelo,

ary feno fitaka ny fony.

24Manondri-doha izy, marenina ilany izy,

ary nony vao tsy jerijerena izy dia ialohany ianao.

25Ka raha tsy afa-manota izy, noho ny fahosana,

dia hanao ratsy nony vao mahita hanaovana.

26Ny tarehiny no hahalalana ny olona,

ary ny endrika asehony no hahalalana ny hendry.

27Ny fitafian’ny olona, ny fitsikin’ny molony,

ary ny fandehan’ny olona no manambara ny toetrany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help