Ekleziastika 5 - Malagasy Catholic Bible

Harena sy hasahiana loatra

1Aza miankina amin’izay harenao,

ary aza manao hoe: «Manan-karena ampy aho!»

2Aza manaraka ny fitsiriritanao sy ny herinao,

mba hanafa-po fanirian’ny fonao;

3ary aza manao hoe: Zovy moa no Tompoko?

Fa tsy maintsy hosazin’ny Tompo ianao.

4Aza manao hoe: Efa nanota, ka inona izao no nanjò ahy?

Fa mahari-po ny Tompo.

5Aza dia afaka ahiahy ny amin’ny fanonerana,

ka manampy ota ny ota.

6Aza manao hoe: Be famindram-po Andriamanitra,

ka hamela ny heloka maro be.

Fa samy ao aminy ihany ny indrafo sy ny hatezerana;

ary mianjera amin’ny mpanota ny fahavinirany.

7Aza mitaredretra ny hibebaka amin’ny Tompo,

ary aza mangataka andro isan’andro izao,

fa hipoaka tampoka ny hatezeran’ny Tompo,

ka ho levona ianao amin’ny andro hamaliany.

8Aza miankina amin’izay harena azo tsy an-drariny,

fa tsy hahefa na inona na inona ireny amin’ny andro mahory.

Fihenjanana sy fahafehezan-tena

9Aza mikororoka amin’ny rivotra rehetra,

ary aza mandeha amin’ny lalana rehetra,

fa izany no fanaon’ny mpanota miroa lela.

10Miorena amin’ny fihevitrao

ary aoka ho tokan-teny ianao.

11Ny mihaino no aoka hahafaingana anao;

fa ny mamaly, aoka hiadana ianao.

12Raha mahita hevitra ianao, no mamalia ny namanao;

fa raha tsy izany kosa, tampeno amin’ny tananao ny vavanao.

13Ny voninahitra sy ny henatra, samy ao amin’ny teny;

ary ny lelan’ny olona, dia mampidi-doza azy.

14Aza mihatsy ny hantsoina ho mpanaratsy;

ary aza mamela-pandrika amin’ny lelanao;

fa mianjera amin’ny mpangalatra ny henatra;

ary misy fanamelohana mafy mahatratra ny miroa lela.

15Aza diso na be na kely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help