1Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak’i Amôsa, nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.»
2Dia nitodika nankany amin’ny rindrina i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh; hoy izy:
3«Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho, ary nanao izay tsara eo imasonao.» Sady nitomany nanao ranomaso havozona i Ezekiasa.
4Dia tonga tamin’i Izaia ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
5«Mandehana lazao amin’i Ezekiasa hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Davida, rainao: Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao, ka indro, ampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao.
6Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho; ary hiaro ity tanàna ity.
7Ary izao no famantarana omen’i Iaveh ho anao, hahafantaranao fa hotanterahin’i Iaveh izany teny nolazainy izany:
8Indro aho hampihemotra ny aloka hiverina araka ny ambaratonga efa nampidinan’ny masoandro azy, eo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia ambaratonga folo.› » Dia nihemotra ambaratonga folo, teo amin’ny ambaratonga efa nidinany teo, ny masoandro.
Tononkiran’i Ezekiasa(Jereo Sal 116)9Zavatra nosoratan’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, fony izy narary ka sitrana tamin’ny aretiny:
10Hoy aho: «Dia amin’izao andro mbola iadanako izao aho
no midina ho any amin’ny vavahadin’ny seoly;
ka hanesorana amiko ny taonako sisa!»
11Hoy aho: «Tsy mba hahita an’i Iaveh intsony aho,
tsy hahita an’i Iaveh, eo amin’ny tanin’ny velona;
tsy mba hahita ny olombelona intsony aho
eo amin’ny mponina any amin’ny fonenana mangina!»
12Ny fonenako nesorina, nentina lavitra ahy,
tahaka ny lain’ny mpiandry ondry.
tahaka ny mpanenona aho manao ny tenon’ny fiainako,
fa tapahiny hiala amin’ny fanenomana aho!
Hatramin’ny antoandro ka mandra-piavin’ny alina
dia hotaperinao ny aiko.
13Tsy niteny tsy nivolana aho,
mandra-pahamarain’ny andro.
Nanapatapaka ny taolako rehetra toy ny liona izy;
hatramin’ny antoandro ka mandra-piavin’ny alina
dia hotaperinao ny aiko!
14Nikoraraika toy ny vano aman-tsidintsidina aho,
nitoloko toy ny voromahailala aho,
valalanina ny masoko, mijery any ambony:
15Iaveh ô, anaovana an-tery setra aho, anie
Ianao no hiantoka ahy.
Inona no holazaiko? Nilaza tamiko izy, nahavita izy.
Handeha amim-panetren-tena aho,
amin’ny taona iainako rehetra,
mahatsiaro ny hangidin’ny aiko.
16Tompo ô, izany no fiainana,
ao amin’izany rehetra izany ny fiainan’ny fanahiko.
Mahasitrana ahy Ianao, mampody ny aina amiko;
17koa indro manjary fiadanana ho ahy
ny mangidy mafy indrindra.
Nanesotra ny fanahiko Ianao,
teo amin’ny lavaka famoizana;
narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.
18Satria tsy mankalaza anao ny Seoly,
ary ny fahafatesana tsy manao hira fiderana Anao;
ireo midina any an-davaka,
tsy manantena ny fahamarinanao intsony.
19Fa ny velona dia ny velona ihany no mankalaza Anao
tahaka izao ataoko anio izao;
ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
20I Iaveh efa nalaky namonjy ahy;
isika kosa hitendry hampaneno ny kofehin’ny lokangako
amin’ny andro rehetra iainantsika,
ao an-tranon’i Iaveh.
21Hoy i Izaia: «Mitondrà ampempan’aviavy iray, dia apetaho amin’ny fery, ary aoka ho sitrana ny mpanjaka.» Ary hoy i Ezekiasa: «Inona no famantarana ahalalako fa hiakatra any amin’ny tranon’i Iaveh aho?»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.