Fahendrena 3 - Malagasy Catholic Bible

Ny miandry ny olo-marina sy ny olon-dratsy.

1Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanahin’ny marina, ka tsy mahatratra azy ny fijaliana.

2Hoatry ny maty izy, araka ny fiheveran’ny adala azy, ary hoatry ny loza ny fiàlany amin’izao fiainana izao,

3ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika; kanjo ao anatin’ny fiadanana izy.

4Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason’ny olombelona, ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty.

5Rehefa afaka ny fijaliana maivana foana dia handray valisoa lehibe izy: fa efa nozahan’Andriamanitra toetra izy, ka hitany ho mendrika Azy.

6Notsapainy toy ny volamena atao amin’ny memy izy, ka nankasitrahiny, toy ny sorona dorana lavorary.

7Amin’ny andro hamalian-tsoa azy, hamirapiratra izy ireo; tahaka ny kilalaon’afo hivoivoy haingana amin’ny bozaka.

8Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy; ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.

9Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina; hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy, satria ho an’ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.

10Hihatra amin’ny ratsy fanahy kosa ny sazy tandrifin’ny hevi-dratsiny; fa izy naniratsira ny olo-marina, sady nihataka tamin’ny Tompo.

11Fa na zovy na zovy manary ny fahendrena amam-pananarana dia voatendry ho amin’ny loza: foana ny fanantenany, tsy mahavokatra ny fisasarany, tsy misy tombony ny asany;

12adala ny vadiny, feno haratsiana ny zanany; ary voaozona ny taranany.

Aleo momba toy izay ratsy taranaka

13Noho izany sambatra ny vehivavy momba, tsy misy panda, tsy azon’ny fahalotoana ny fandriany! Fa hahazo ny vokany izy, amin’ny andro hamangiana ny fanahy.

14Sambatra koa ny eonòka, tsy mbola nahalala heloka ny tanany, sady tsy namoron-kevi-dratsy manohitra ny Tompo! Fa handray ny valisoa voafantina izy, noho ny tsy fivadihany; ary hahazo anjara soa indrindra izy ao an-tranon’ny Tompo.

15Satria ny fanaovana asa soa, mahavokatsoa be voninahitra, ary ny fàkan’ny fahamalinana tsy mba maty.

16Fa ny zanaky ny mpanera vadin’olona kosa, tsy hahafantatra ny fara androny, ary ny taranaky ny fiterahana meloka ho foana.

17Raha lava ny andro iainany, dia hatao tsinontsinona izy ireo, ary ny fahanterana hiafarany, tsy hisy hajany.

18Raha malaky maty izy, tsy hanam-panantenana na fiononana amin’ny fitsarana.

19Fa ratsy miafara mandrakariva ny taranaka tsy marina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help