Ezekiela 11 - Malagasy Catholic Bible

Tohin’ny fahotan’i Jerosalema

1Naingain’ny fanahy aho dia nentiny nankeo am-bavahady atsinanana, ilay mitodika miantsinanana amin’ny tranon’i Iaveh; ka indro, teo anoloan’ny vavahady nisy olona 25 lahy; ary hitako teo amin’izy ireo, i Jezoniasa zanak’i Azora sy i Feltiasa zanak’i Banaiasa. lehiben’ny vahoaka.

2Dia hoy i Iaveh tamiko: «Ry zanak’olona, ireo no olona mamoron-tsain-dratsy, sy manome hevi-dratsy, eto amin’ity tanàna ity, manao hoe:

3‹Tsy antomotra loatra ny loza! Andeha isika hanao trano! Ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena.›

4Koa maminania hamely azy; maminania, ry zanak’olona.»

5Dia nilatsaka tato amiko ny Fanahin’i Iaveh; ka hoy Izy tamiko: «Mitenena hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Izany no teneninareo, ry taranak’i Israely! Fantaro ny mby ao an-tsainareo.

6Nohamaroinareo ny vonoana olona tamin’ity tanàna ity, sy nofenoinareo faty ny lalam-be.

7Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ireo maty natsingidinareo teto afovoan’ny tanàna no hena, ary ny tanàna no vilany; fa ianareo kosa havoaka hiala eto.

8Mataho-tsabatra ianareo, ka hataoko tratry ny sabatra, - teny marin’i Iaveh Tompo. -

9Havoakako hiala eto an-tanàna ianareo, ka hatolotro eo an-tanan’ny hafa firenena; ary hampihatra aminareo ny fitsaràko Aho.

10Ho lavon-tsabatra ianareo, ary hotsaraiko any amin’ny sisin-tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa i Iaveh Aho.

11Ity tanàna ity, tsy ho vilany ho anareo; ianareo, tsy ho hena ao anatiny; fa any an-tsisin-tanin’i Israely no hitsarako anareo.

12Ka ho fantatrareo fa Izaho no Iaveh izay tsy narahinareo fitsipika, na notandremanareo lalàna, fa nanaraka ny lalàm-pirenena manodidina anareo no nataonareo.»

13Mbola naminany teo aho, dia maty i Feltiasa zanak’i Banaiasa; ka niankohoka aho, nitaraina tamin’ny feo avo nanao hoe: «Indrisy, Iaveh Tompo ô! dia haringanao ve, ny sisa amin’i Israely.»

Fanekem-pihavanana vaovao ampanantenaina an’ireo voasesitany(Jereo Jer 24)

14Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

15«Ry zanak’olona, ireo rahalahinao, olona anisan’ny fianakavianao, sy ny taranak’i Israely rehetra, dia izy rehetra no ilazan’ny mponina ao Jerosalema hoe: ‹Mijanòna any lavitra an’i Iaveh ianareo; fa izahay no nomena ity tany ity ho fananana.›

16Koa lazao amin’ireto hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Eny, nalefako lavitra any amin’ny firenena ireny, naeliko any amin’ny tany hafa izy; nefa Izaho no ho fitoerana masina ho azy ireo, any amin’ny tany nalehany, mandritra ny fotoana vitsivitsy.

17Noho izany, ilazao ireny ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Hangoniko avy any amin’ny firenena ianao; hovoriko avy any amin’ny tany nampielezana anareo ianareo; ary homeko anareo ny tanin’i Israely.

18Dia hiditra ao izy ireo, ka hesoriny hiala ao avokoa ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra.

19Ary izy rehetra homeko fo iray, hasiako fanahy vaovao ao anatiny, hoesoriko amin’ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy;

20mba hizorany amin’ny fitsipiko sy hitandremany ny didiko, ary hanarahany azy; ka izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.

21Fa ry zareo manana fo manaraka ny fon-tsampiny vetaveta kosa, dia hatsingeriko amin’ny lohany, izay nataony», - teny marin’i Iaveh Tompo.

Ilaozan’ny voninahitr’i Iaveh i Jerosalema

22Tamin’izay ny Kerobima nanainga ny elany; ny kodiarana koa niara-nihetsika taminy; ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely dia teo ambonin’izy ireo.

23Ary nisondrotra avy teo ambonin’ny afovoan-tanàna, ny voninahitr’i Iaveh, ka nijanona teo an-tampon’ilay tendrombohitra eo atsinanan’ny tanàna.

24Ary naingain’ny Fanahy aho, ka nentiny ho any amin’ireo babo any Kaldea, tamin’ny fahitana, tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia lasa niala teo anatrehako ny fahitana efa hitako;

25ary notantaraiko tamin’ireo babo avokoa ny zavatra nampahitan’i Iaveh ahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help