Nehemia 6 - Malagasy Catholic Bible

Firaisan-tetiky ny fahavalon’i Nehemia.Ny nahavitan’ny manda

1Nony fantatr’i Sanabalata, i Tobia, i Gôsena Arabo, mbamin’ireo fahavalonay hafa, fa hoe, voaarina indray ny manda, ary tsy misy banga intsony;

2- nefa hatramin’io fotoana io mbola tsy nataoko tamin’ny varavarana ny lelany,- dia naniraka nankatỳ amiko i Sanabalata sy i Gôsena, hilaza hoe: «Tongava, fa aoka isika hihaona kely any amin’ireo vohitra amin’ny lohasahan’i Onô.» Ny hanisy ratsy ahy no heviny.

3Nandefa iraka aho hilaza aminy hoe: «Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho. Ary nahoana ange ny asa no hiato, fa hilaozako hankany aminareo?»

4Inefatra izy no nampitondra tamiko izany hevitra izany, nefa izany ihany no navaliko azy hatrany.

5Fa nirahin’i Sanabalata fanindiminy, araka izany ihany indray, ny mpanompony, nitondra taratasy nivelatra teny an-tanany;

6ka izao no soratra tao: «Efa mahoraka amin’ny firenena, sady lazain’i Gôsena koa fa hoe: Mihevitra ny hikomy ianao sy ny Jody, ka izany no nanaovanao ny manda; ary ianao, araka izany honohono izany, no mitady ny ho tonga mpanjakany.

7Ary efa nanendry mpaminany ianao aza, hiantso ampahibemaso ao Jerosalema hoe: Efa misy mpanjaka any Jodà, mantsy anao. Ary ankehitriny dia ampandrenesina izany raharaha izany ny mpanjaka, ka avia dia hiara-mihevitra isika.»

8Dia naniraka tany aminy aho, hilaza hoe: «Tsy misy nitranga araka izany zavatra lazainao izany, fa zavatra foronin’ny sainao fotsiny.»

9Ny hampitahotra anay no kendren’izy rehetra, satria hoy izy: «Hihaosa ny tanany dia hilaozany ny asa, ka tsy ho tontosa. Koa ankehitriny herezo ny tanako, ry Andriamanitro.»

10Ary nankao amin’i Semaiasa zanak’i Dalaiasa, zanak’i Metabeela aho. Nihidy aman-trano izy, ary izao no nolazainy tamiko: «Andeha isika hiara-mankao an-tranon’Andriamanitra eo anatin’ny tempoly, fa tamy hamono anao ny olona; ary amin’ny alina no hahatongavan’ny olona hamono anao.»

11Fa hoy ny navaliko: «Lehilahy toa ahy izao ve ka handositra!... Ary ahoana moa no hidiran’ny olona tahaka ahy any amin’ny tempoly ka mbola ho velona ihany? Tsy hiditra aho.»

12Dia nandinika aho, ka indro fa tsy Andriamanitra no naniraka azy; fa ny nanononany faminaniana ny amiko dia noho izy voakaraman’i Tobia sy i Sanabalata.

13Ary ny nanakaramany azy dia mba hatahorako ka hanarahako ny toroheviny sy hanotako, dia misy hoentiny haharatsy laza ahy sy hahafa-baraka ahy.

14«Ry Andriamanitra ô, tsarovy i Tobia sy i Sanabalata, araka izany asa ratsy izany, ary koa i Nôadiasa mpaminany, sy ireo mpaminany hafa nitady hampitahotra ahy!»

15Ary 52 andro, dia vita ny manda, tamin’ny faha-25n’ny volana Elola.

16Nony nandre izany ny fahavalonay rehetra dia raiki-tahotra avokoa ny firenena manodidina anay, tsaroany reraka mafy ny fony, ary fantany fa Andriamanitray no nahavita izany asa izany.

17Tamin’izany andro izany ny lehibe sasany tamin’i Jodà dia nampitombo ho maro ny taratasy nalefany tany amin’i Tobia, ary ny taratasin’i Tobia koa tonga nankatỳ amin’izy ireo;

18satria maro tamin’ny lehiben’i Jodà no efa tafaray taminy tamin’ny fianianana, noho izy vinanton’i Sekeniasa zanak’i Areà, sy noho i Johanàna zanany lahy nanambady ny zanaka vavin’i Mosolama, zanak’i Barakia.

19Nilaza ny hatsaran-toetrany teo anatrehako aza izy ireo, ary ny teniko notateriny taminy. Nampitondra taratasy hampitahotra ahy i Tobia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help