Jenezy 14 - Malagasy Catholic Bible

Famelezan’ireo mpanjaka efatra lehibe

1Tamin’ny andron’i Amrafela, mpanjakan’i Senaara, sy i Ariòka, mpanjakan’i Elasara, sy i Kodôrlahômôra, mpanjakan’i Elama, ary i Tadala, mpanjakan’i Gôima,

2dia sendra rafitra ady izy ireo tamin’i Barà, mpanjakan’i Sôdôma sy i Bersà, mpanjakan’i Gômôra, sy i Senaaba, mpanjakan’i Adamà, sy i Seneber, mpanjakan’i Sebôima, ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany.

3Nivory tao an-dohasahan’i Sidima, dia ny Ranomasin-tSira izany, ireto farany ireto;

4fa efa nanoa an’i Kodôrlahômôra roa ambin’ny folo taona izy ireo, no vao niodina taminy nony tamin’ny taona fahatelo ambin’ny folo.

5Nony tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo anefa, niainga i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy, ka nasiany avokoa ny Refaima tao Astarôta-Karmaima, ny Zosima tao Hama, ny Emima teo amin’ny tany lemak’i Kariataima;

6ary ny Hôreanina teo an-tendrombohitra Seira fonenany, hatrany El- Faràna, izay ao akaikin’ny efitra.

7Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.

8Tamin’izay no nivoahan’ny, mpanjakan’i Sôdôma, ny mpanjakan’i Gômôra, ny mpanjakan’i Adamà, ny mpanjakan’i Sebôima ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany, nilahatra tao an-dohasahan’i Sidima hiady tamin’ireo,

9dia tamin’i Kodôrlahômôra mpanjakan’i Elama, i Tadala mpanjakan’i Gôima i Amrafeta mpanjakan’i Senaara, ary i Ariòka mpanjakan’i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo.

10Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.

11Nofaohin-dry zareo avokoa ny fananana rehetra tao Sôdôma sy Gômôra, mbamin’ny hanina rehetra tao, dia nandeha izy.

12I Lôta zana-drahalahin’i Abrama dia nobaboin’izy ireo hatramin’ny fananany rehetra koa, vao nandeha izy. Fa nonina tao Sôdôma i Lôta.

13Dia tonga ny anankiray tamin’ireo mpandositra nilaza izany tamin’i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin’ireo terebintan’i Mambre, dia ilay Amôreana rahalahin’i Eskôla sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin’i Abrama ireo.

14Vao ren’i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin’ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin’ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo.

15Natokotokony ny olona nentiny mba hanao sovokalina izy sy ireto mpanompony, ka nandresy sy nanenjika an-dry zareo hatrany Hôba, ao ankavian’i Damasy.

16Nentiny nody daholo ny fananana; azony koa i Lôta rahalahiny, mbamin’ny fananany, sy ny vehivavy ary ny olona rehetra.

I Melkisedeka

17Nony efa nandresy an’i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan’i Sôdôma hitsena azy tao an-dohasahan’i Save, dia ny lohasahan’ny mpanjaka izany.

18I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy.

19Dia nitso-drano an’i Abrama izy nanao hoe: «Hanisy soa an’i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany.

20Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»

21Dia hoy ny mpanjakan’i Sôdôma tamin’i Abrama: «Omeo ahy ny olona fa ny fananana no ento ho anao.»

22Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,

23fa tsy haka amin’izay rehetra mety ho anao, hatramin’ny singan-taretra ka hatramin’ny hoditra fehin-kapa, mba tsy hilazanao hoe: ‹Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.› »

24Tsy hitana na inona na inona ho ahy aho, afa-tsy izay nohanin’ny zatovo, sy ny anjaran’ny olona momba ahy dia i Anera sy i Eskôla ary i Mamre: ireo dia haka ny anjarany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help