Salamo 138 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 138 (Volgata 137)Antsa fisaorana

1Nataon’i Davida.

Sitrako ny midera Anao amin’ny foko rehetra,

sy hihira ho Anao amin’ny harpa eo anatrehan’ireo andriamanitra.

2Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina,

sy hankalaza ny Anaranao,

noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao,

fa nanao fampanantenana lehibe Ianao,

mihoatra noho ny voninahitra ny Anaranao.

3Tamin’ny andro niantsoako Anao nanaiky ahy Ianao,

naverinao amin’ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.

4Hidera Anao, ry Iaveh, ny mpanjaka rehetra amin’ny tany,

rehefa mandre ny teny tò naloaky ny vavanao.

5Hankalaza ny lalan’i Iaveh izy ireo,

fa lehibe ny voninahitr’i Iaveh.

6Fa avo i Iaveh ka mijery ny iva toetra,

ary fantany eny lavitra eny, ny mpiavonavona.

7Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho,

dia velominao indray,

maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao,

ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.

8Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy,

Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao:

Aza mahafoy ny asan-tananao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help