1Indro misy iray koa, mihevitra ny hiondrana ho eny ambony ranomasina, ka miomana fa handeha eny ambonin’ny onja misamboaravoara: hazo mora vaky noho ny sambo mitondra azy no antsoiny;
2fa ny sambo dia noho ny fanirian-kahazo vola no nahitana azy, ary ny fahaizan’ny mpanao taozavatra no nandrafetana azy.
3Ny fitondranao anefa, Ray ô, no mitondra azy, Ianao izay nanori-dalana eny amin’ny ranomasina, sy lala-mahatoky mamakivaky ny onjan-drano.
4Ka tamin’izany Ianao dia nampiseho fa mahay manafaka amin’ny loza rehetra mba hahazoan’ny olona rehetra miondrana, na dia tsy mahay mitondra sambo aza izy.
5Tsy tianao hitoe-poana ny asan’ny fahendrenao; ka noho izany dia manankina ny ainy amin’ny hazo malia ny olombelona, mamakivaky ny onjan-drano amin’ny zahatra, tsy maty fo aman’aina.
6Ary fahiny, raha ringana ireo Rapeto be avonavona, ny fanantenan’izao tontolo izao kosa, afa-nandositra tamin’ny lakana, sady nentin’ny tananao, ka namela loharanon-taranaka ho an’izao tontolo izao.
7Fa ny hazo, anaovan-javatra mety, dia voatso-drano.
8Fa ny sampy asan-tanan’olombelona kosa, voaozona mbamin’izay nanao azy: ity moa voaozona noho ny nanamboarany an’io; irỳ kosa noho izy zavatra mety levona, nefa mitondra ny Anaran’Andriamanitra;
9fa samy halan’Andriamanitra na ny mpanohitra ny fivavahana, na ny zavatra fanoherany ny fivavahana.
10Ka samy hosaziny, ny asa atao sy ny mpanao.
11Noho izany, hosavana ny sampin’ny firenena fa zava-boaarin’Andriamanitra izy, nefa zary fahavetavetana, fanafintohinana ho an’ny fanahin’ny olombelona, fandrika mahavoa ny tongotry ny adala.
Ny nanombohan’ny fanompoan-tsampy12Satria ny hevitra hanao sampy dia fototry ny nisarahan’ny olona tamin’Andriamanitra, ary ny mamorona an’izany no nitarika ny fahafatesana.
13Tsy nisy ireny tamin’ny voalohany ary tsy hisy mandrakariva akory koa.
14Ny fahadalan’ny olona no nampiditra izany tamin’izao tontolo izao; ary efa raikitra ao an-tsain’Andriamanitra ny famongorana izany efa akaiky.
15Misy ray vonton’alahelo haingan-doatra, ka nanamboatra sarin’ny zanany izay nalaky nalaina taminy; ary raikitra nanome haja hoatra ny andriamanitra izany zanany maty izany; ary ao amin’ny ankohonany dia nanangana fombam-pivavahana sy seremônia izy.
16Ary niharaikitra tsikelikely izany fomba manohitra ny fivavahana izany, ka tonga voatandrina hoatra ny lalàna, ary noho ny didin’ny mpanapaka, dia nohajain’ny olona ny sary.
17Raha tsy afa-manaja azy eo anoloany ny olona, fa lavitra loatra no onenany, sarin’ny endriny lavitra no natao, ka ny sarin’ny mpanjaka hajainy hita maso no noforonina, hanomezana fanajana azy tsy eo amin-kafanam-po, toy ny raha eo izy.
18Ary ny nampandroso ny fomban-tsampy dia satria izay tsy mahalala ny mpanjaka mba voatariky ny hambon’ny mpanao sary.
19Satria nila sitraka tamin’ny tompo be fahefana izy ity ka mandany ron-doha amin’izay hahakanto ny sary.
20Dia sodoky ny hakanton’ny taozavatra ny sarambabem-bahoaka, ka nataony ho andriamanitra ilay efa nohajainy ho olombelona tato ho ato.
21Fandrika ho an’ny velona raha ny olona azon’ny fahoriana na teren’ny mpanao jadona, niantso ny vato aman-kazo amin’ny anarana tsy azo iombonana.
Vokatry ny fanompoan-tsampy22Tsy vitan’ny hoe mivaona fotsiny ny fahalalan’izy ireo an’Andriamanitra;
fa noho ny fifanoherana mafy mahazo ny tenany
avy amin’ny tsy fahalalany koa,
dia nantsoiny amin’ny anarana hoe fiadanana izany loza izany.
23Nankalazainy ny fomban-tsampy famonoana ny zanany, na ny fombam-pivavahana atao an-tsokosoko, ary mitolo-batana amin’ny fahavetavetana diso ohatra fanao amin’ny fomba hafahafa izy:
24tsy nahalala menatra intsony izy na amin’ny toe-piainany, na amin’ny fanambadiany. Ny iray mamono ny iray hafa, amin’ny famadihana, na manitsaka azy amin’ny fakam-badin’olona.
25Hany hita hatraiza hatraiza dia ra amam-bonoana olona, halatra amam-pitaka, fanisihana amam-pivadihana, fikomiana amam-pianianan-tsy to,
26fanenjehana ny tsara fanahy, fanadinoana ny soa noraisina avy amin’ny olona, fahalotoan’ny fanahy, heloka mifanohitra amin’ny fomban’olona, tsy faharetana amin’ny fanambadiana, fakam-badin’olona sy fahavetavetana.
27Satria ny fanompoan-tsampy tsy azo tononina dia fototra amam-piaviana ary anton’ny ratsy rehetra.
28Hafaliana tsy misy fotony no lalaon’izy ireo, ary lainga no valin-teny avy amin’ny andriamaniny. Milomano amin’ny haratsiana izy, ary mianiana tsy tò mora foana.
29Fa sampy tsy manana aina no ianteherany, ka tsy heveriny hahitan-doza akory, izay fianianana tsy marina ataony.
30Hanjò azy anefa ny sazy tandrifin’izany heloka roa sosona izany; satria niraikitra tamin’ny sampy izy, ka ratsy fihevitra an’Andriamanitra; ary nianiana tamim-pihatsarambelatsihy manohitra ny fahamarinana izy, ka notsiratsirainy amin’izany ny lalàna masina indrindra.
31tsy avy amin’ny herin’ny sampy nianianany izany,
fa sazy tandrifiny havaly ny mpanota,
ka tsy maintsy mihatra mandrakariva amin’ny fivadihan’ny mpanohitra ny fivavahana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.