1Androtr’izay ihany, dia natolotr’i Asoerosy mpanjaka an’i Estera ny tranon’i Amàna, ilay fahavalon’ny Jody, ary niseho teo anatrehan’ny mpanjaka i Mardokea, fa efa nampahafantarin’i Estera izay fihavanany aminy.
2Koa nesorin’ny mpanjaka ny peratra izay efa nalainy tamin’i Amàna, dia nomeny an’i Mardokea, ary i Estera nanendry an’i Mardokea hanapaka ny tranon’i Amàna.
3Rehefa afaka izany, niteny teo anatrehan’ny mpanjaka indray i Estera; niantoraka teo an-tongony izy, nihanta taminy tamin-dranomaso, mba hanafoana ny hasomparan’i Amàna, avy amin’ny tanin’i Agaga, sy ny hevitra nataony hamelezana ny Jody.
4Notoloran’ny mpanjaka ny tehim-bolamena i Estera, dia nitsangana sy nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka.
5«Raha sitraky ny mpanjaka, hoy izy, raha nahita fitia eo anatrehany aho, raha ataon’ny mpanjaka ho mety izao, ary raha mahita sitraka eo imasony aho, aoka hanoratra hanafoana ireny taratasy noforonin’i Amàna zanak’i Amadatà, avy amin’ny tanin’i Agaga, sy nosoratany hampandringana ny Jody any amin’ny faritanin’ny mpanjaka rehetra.
6Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjò ny fireneko ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny iray razana amiko?»
7Fa hoy i Asoerosy mpanjaka tamin’i Estera mpanjakavavy, sy tamin’i Mardokea Jody: «Indro, ny tranon’i Amàna efa nomeko an’i Estera, ary izy efa nahantona tamin’ny hazo fa naninji-tanana hamely ny Jody.
8Koa manorata ianareo, amin’ny anaran’ny mpanjaka, araka izay sitrakareo, hamonjy ny Jody, dia tombohy amin’ny peratry ny mpanjaka, fa tsy azo foanana rehefa taratasy nosoratana tamin’ny anaran’ny mpanjaka, sy notombohina tamin’ny peratry ny mpanjaka.»
9Koa nantsoina tamin’izany ny mpanoratry ny mpanjaka, dia tamin’ny andro faha-23n’ny volana fahatelo, izay volana Sivàna, dia nosoratana izay rehetra nodidian’i Mardokea ho an’ny Jody, ny solo-mpanjaka, ny governora, ny lehiben’ny faritany, dia ny faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiôpia, natao araka ny soratry ny isam-paritany sy ny fitenin’ny isam-pirenena, ary ny ho an’ny Jody araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
10Ny taratasy dia nosoratana tamin’ny anaran’ny mpanjaka sy notombohina tamin’ny peratry ny mpanjaka. Ny taratasy dia nampitondraina ny tsimandoa an-tsoavaly, mitaingin-tsoavalim-panjakana faingam-pandeha avy amin’ny fiompian-tsoavalin’ny mpanjaka.
11Amin’izany taratasy izany, ny mpanjaka nanome lalana ny Jody hivory sy hiaro ny ainy, na aiza na aiza tanàna misy azy, ka handringana, hamono, handripaka ny miaramila mbamin’ny vady aman-janany amin’ny isam-pirenena amam-paritany, izay hitsangana hamely azy; ary handroba ny fananany;
12dia ny hanao izany amin’ny indray andro monja, eran’ny faritanin’i Asoerosy mpanjaka rehetra, dia amin’ny andro faha-13n’ny volana faha-12, izay volana Adara.
Jereo ny teny amin’ny didy ao amin’ny toko 16,1-24.
13Ny kôpia anankiray amin’ny didy izay tsy maintsy avoaka ho lalàna amin’ny isam-paritany dia nalefa misokatra ho an’ny foko rehetra, mba ho voaomana amin’izany andro izany hamaly ny fahavalony ny Jody.
14Dia nandeha faingana ny tsimandoa, nitaingina ny soavalim-panjakana, araka ny didin’ny mpanjaka. - Ary nantsoina tao Sosa renivohitra koa ny didy.
15Nivoaka avy ao amin’ny mpanjaka i Mardokea, niakanjo akanjo fiandrianana manga fotsy, nisatroka satroboninahitra volamena lehibe, nanao kapaoty rongony fotsy madinika sy jaky; ary naneho ny hafaliany tamin’ny hobin-karavoana ny tanàna Sosa.
16Ny Jody tamin’izany tsy nahalala afa-tsy hasambarana aman-kafaliana, sy firavoravoana amam-boninahitra.
17Tany amin’ny isam-paritany sy isan-tanàna nahatongavan’ny teny aman-didin’ny mpanjaka, dia hafaliana amam-piravoravoana, fety amam-panasana, no an’ny Jody. Ary maro ny olona tamin’ny vahoakan’ny tany nilatsaka ho Jody fa nahazo azy ny tahotra ny Jody.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.