1Tsarovy ny nanjò anay, ry Iaveh ô,
jereo sy diniho ity fahafaham-barakanay.
2Ny lovanay, lasan’ny hafa firenena,
ny tranonay, lasan’ny olon-tsy fantatra.
3Kamboty tsy manan-dray izahay,
toy ny mpitondratena ny reninay.
4Mividy vola izahay vao misotro ny ranonay,
mikarama vao mahazo kitay.
5Ny mpanenjika anay mandodona anay avy ao aoriana;
ka reraka, tsy mahita hiainana izahay.
6Mananty tanana amin’i Ejipta
sy amin’i Asiria izahay, hivoky mofo.
7Nanota ny razanay, tsy eo intsony anefa izy,
ka izahay ity no mivesatra ny helony.
8Andevo no manapaka anay,
tsy misy olona manafaka anay amin’ny tanan’ireo.
9Manao vy very ny ainay hahazoanay hanina
eo anoloan’ny sabatry ny efitra.
10Mahamay, hoatra ny lafaoro, ny hoditray,
noho ny hamafin’ny hanoanana.
11Nosavihin’izy ireo ny vehivavy tao Siôna,
mbamin’ny virjiny tamin’ny tanànan’i Jodà.
12Misy mpanapaka nahanton’ny tanan’izy ireo,
ny tavan’ny anti-panahy tsy nasiany hajany,
13ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary;
ny ankizy nivembena, mivesatra hazo.
14Ny loholona nitsahatra tsy nankeny am-bavahady intsony;
ary ny zatovo tsy nitendry ny valihany intsony.
15Nitsahatra ny fifalian’ny fonay;
niova ho fisaonana ny dihinay.
16Nianjera ny satroboninahitry ny lohany;
eny, loza ho anay, fa nanota izahay!
17Izao no antony raha marary ny fonay,
izao no antony raha nihamaizina ny masonay.
18dia satria lao ny tendrombohitra Siôna,
ka ny amboadia no mikarenjy ao.
19Ianao, ry Iaveh, dia ao amin’ny fiketrahanao mandrakizay;
ny seza fiandriananao maharitra amin’ny taona mifandimby!
20Ahoana no dia hanadinoanao anay mandrakizay,
dia handao anay amin’ny andro lava toy izao?
21Ampivereno aminao izahay, ry Iaveh, dia hiverina,
havaozy ny andronay toy ny fahiny indray.
22Fa dia narianao tokoa va izahay,
sy ho tezitra tsy an’erany aminay va Ianao?
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.