Rota 1 - Malagasy Catholic Bible

I ROTA SY I NÔEMÌ

1Tamin’ny andro nanapahan’ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ny tany. Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betlehema any Jodà, nandeha nitoetra tany amin’ny tanin’i Moaba, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.

2Elimeleka no anaran-dralehilahy io, Nôemì no anaran’ny vadiny, ary Mahalôna sy Seljôna no anaran’ny zanany roa lahy. Efrateanina avy any Betlehema any Jodà izy ireo, ary nankany amin’ny tanin’i Moaba sy nonina tany.

3Ary maty i Elimeleka vadin’i Nôemì, ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy.

4Naka vady tamin’ny vehivavy Moabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka tao sahabo ho folo taona izy ireo.

5Fa maty daholo koa izy roa lahy dia i Mahalôna sy i Seljôna, ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny.

I Nôemì sy ireo vinanto vaviny roa

6Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin’ny tanin’i Moaba, satria reny tany amin’ny tanin’i Moaba fa efa novangian’i Iaveh ny vahoakany ka nomeny hanina.

7Niala teo amin’ny tany nonenany izy sy ireto vinantony roa vavy, dia niainga hody any amin’ny tanin’i Jodà.

8Ary hoy i Nôemì tamin’ireto vinantony roa vavy: «Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy ianareo. Enga anie ka hanao soa anareo i Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.

9Samy hampahitan’i Iaveh fiadanana avy anie ianareo, any amin’ny tranon’izay ho vadinareo». Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany.

10Ary hoy izy taminy hoe: «Tsia, fa hiara-miverina aminao ho any amin’ny firenenao izahay.»

11Fa hoy i Nôemì: «Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko?

12Mandehana mody, anaka. Efa antitra aho ka tsy hanambady intsony. Ary na dia hilaza aho fa manantena ihany, na dia hanam-bady anio alina ihany sy hiteraka zazalahy aza,

13moa hahandry mandra-pahalehiben’izany va ianareo? Moa hahajanona tsy hanam-bady fanindroany noho izany? Tsia, anaka. Noho ianareo dia mangidy amiko indrindra ny namelezan’ny tanan’i Iaveh ahy».

14Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary i Orfà nanoroka ny rafozany, fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy.

15Ka hoy i Nôemì: «Nody ho any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny irỳ ny zaobavinao, ka mba modia miaraka amin’ny zaobavinao koa.»

16Fa hoy i Rota: «Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;

17izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy. Hoentin’i Iaveh amin’izay sarotra indrindra anie aho, raha tsy ny fahafatesana tokana no hahasaraka ahy aminao.»

18Nony hitan’i Nôemì fa tapa-kevitra ny hanaraka azy i Rota, dia najanony ny teny nandodonany azy.

19Dia niara-nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Nony niditra an’i Betlehema izy ireo, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ary hoy ny vehivavy: «Fa i Nôemì ve io e?»

20Dia hoy izy tamin’ireo: «Aza atao hoe Nôemì intsony aho, fa ataovy hoe Marà, fa nataon’i Iaveh safotry ny mangidy aho.

21Feno tanana aho no nivoaka fa foan-tanana kosa no ampodin’i Iaveh. Ka ahoana no iantsoanareo ahy hoe Nôemì ihany; nefa i Iaveh no efa nitsangan-kamely ahy, ary ny Tsitoha no efa nampahory ahy.»

22Toy izany no nodian’i Nôemì, ary niaraka taminy i Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy amin’ny tanin’i Moaba. Tonga teo Betlehema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana orja.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help