1 Fihirana. Salamon’i Asafa.
2Ry Andriamanitra ô, aza dia mijanom-potsiny;
aza mangina na mitsahatra, ry Andriamanitra!
3Fa indreto mikofokofoka amim-pitabatabana ny fahavalonao,
misolanandrana erỳ izay mankahala Anao.
4Mamoron-tsaina hamandrihana ny vahoakanao izy,
miara-mioko hamely ny olona arovanao.
5Andao, hoy izy, hofongorantsika eo amin’ny firenena izy ireo,
ka aoka tsy hotononina intsony ny anarana hoe Israely.
6Miray fo avokoa izy rehetra mioko,
manao fanekena hanohitra Anao izy,
7dia ny lain’ny Edôma sy ny Ismaelita,
i Moaba sy ny Agarenianina,
8i Gebala, i Amôna ary i Amaleka,
ny Filistinina mbamin’ny mponina any Tira;
9I Asora koa mikambana amin’izy ireo,
ka manampy ny taranak’i Lôta.
- Selà
10Ataovy tahaka an’i Madiàna ireo,
tahaka an’i Sisarà, mbamin’i Jabìna teo amin’ny ranon’i Sisôna.
11Ripaka tao Andôra izy,
ka tonga zeziky ny tany.
12Ataovy tahaka an’i Oreba sy i Zeba ny lehiben’izy ireo,
ary tahaka an’i Zebea sy i Salmanà ny andriandahy rehetra aminy.
13Fa hoy izy: «Aoka halaintsika ho antsika,
ireo fonenan’Andriamanitra!»
14Ry Andriamanitra ô, ataovy tahaka ny tadio ireo,
tahaka ny mololo entin’ny rivotra!
15Tahaka ny afo mandevona ny ala,
tahaka ny lelafo mampirehitra ny tendrombohitra;
16tahaka izany no anenjeho azy amin’ny tadionao;
ampitahory azy amin’ny tafio-drivotrao.
17Ataovy safo-kenatra ny tavany,
mba hitadiavany ny Anaranao, ry Iaveh!
18Aoka izy ho menatra sy ho raiki-tahotra mandrakizay,
sy hangaihay ary ho azon’ny fandringanana.
19Aoka ho fantany fa Ianao - dia Iaveh no Anaranao, -
Ianao ihany no ilay Avo indrindra ambonin’ny tany rehetra!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.