1Ahoana no nihamatroka ny volamena,
nihasimba ny volamena madio,
niely patrana ny vato voahasina,
eny an-joron-dalambe rehetra eny.
BET2Ireo zanaka lahin’i Siôna, miendrik’andriana indrindra,
voatombana an-danjam-bolamena madio,
ka ahoana no natao toy ny vilany tany,
asan-tanan’ny mpanefy vilany?
GIMEL3Ny amboadia aza manolotra nono amin’ny zanany,
ka mampinono azy;
fa ny zanaka vavin’ny vahoakako kosa nanjary masiaka,
hoatra ny ostritsa any an’efitra.
DALET4Ny lelan’ny zaza minono tafaraikitra
amin’ny lanilany, azon’ny hetaheta;
mangataka hanina ny ankizy madinika,
nefa tsy nisy olona manome azy.
HE5Ireo nihinan-kanim-pỳ fahizay,
dia midaboky ny hanoanana eny an-dalambe;
mandamaka eny amin’ny zezika
ireo nolanjaina mipetraka amin’ny jaky.
VAO6Fa ny heloky ny zanaka vavin’ny vahoakako tafahoatra
noho ny fahotan’i Sôdôma,
izay noravana indray mihelina monja,
nefa tsy nisy tanana niainga hamely azy.
ZAIN7Namirapiratra noho ny oram-panala ny mpanapaka azy,
fotsy noho ny ronono;
mena noho ny voahangy ny tenany;
vato safira ny tarehiny.
HET8Ny tavany mainty noho ny fahamaizinana,
ka tsy fantatra intsony izy eny an-dalam-be,
ny hodiny, miraikitra amin’ny taolany,
maina tahaka ny hazo.
TET9Sambatra ireo matin-tsabatra,
noho iretsy matin’ny hanoanana,
izay mihareraka tsikelikely, maratra,
noho ny tsy fisian’ny vokatry ny tany!
IOD10Nisy vehivavy mora mangoraka,
nefa tanany no nahandro ny zanany
dia nataony hanina izany,
tamin’ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.
KAF11Nanampatra hatramin’ny fara fahatezerany i Iaveh,
nandefa ny fahatezerany mirehitra;
dia nandrehitra afo tao Siôna izy,
ka levon’izany ny fanorenany.
LAMED12Tsy mba nino ireo mpanjakan’ny tany,
na ny mponina rehetra tamin’izao tontolo izao,
fa ny mpandrafy, ny fahavalo
dia ho tafiditra ny vavahadin’i Jerosalema.
MEM13Izany no tonga noho ny fahotan’ny mpaminaniny,
sy ny heloky ny mpisorony,
izay nandatsaka tao anatin’ny mandany
ny ran’ny marina.
NON14Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy ireo,
sady nihosin-dra,
hany ka tsy azo nokasihina akory
ny fitafiany.
SAMEK15«Mitanilà! Maloto e!» hoy ny antsoantson’ny olona,
«Mitanilà ianareo!
Mitanilà ianareo! Aza mikasika azy.»
Nirenireny atsỳ sy arỳ, ka hoy ny olona any amin’ny firenena:
Aoka tsy hitoetra atỳ ireny!
FE16Ny Tavan’i Iaveh vinitra nampihataka azy;
tsy nijery ireny intsony izy.
Ny mpisorona, tsy nasian’ny fahavalo hajany;
ny anti-panahy, tsy nananany antra.
AIN17Ary isika, nihavizaka ny masontsika,
mbola miandry izay vonjy foana;
eny an-tampon’ny tilikambontsika eny isika no nitsinjo,
izay firenena tsy hahavonjy antsika akory.
TSADE18Nitsikilo ny diantsika izy,
nisakana antsika tsy handeha eny amin’ny kianjatsika.
Manantòmotra ny fiafarantsika, tapitra ny androntsika;
eny, efa tonga ny fiafarantsika!
KOF19Izay nanenjika antsika dia faingam-pandeha,
noho ny voromahery eny an-danitra.
Notanahiny teny an-tendrombohitra isika;
nanaovany otrika tany an’efitra.
RESH20Ilay fofon’aintsika, ilay voahosotr’i Iaveh,
voasambotra tao an-davak’izy ireo,
dia ilay nataontsika hoe: «Eo ambanin’ny alokalony,
no ho velona any amin’ny firenena isika.»
SHIN21Mifalia sy miravoravoa, ry zanaka vavin’i Edôma,
izay monina any amin’ny tanin’i Hosa!
Horosoana ny kapoaka koa ianao;
ka himamo dia hitanjaka.
TAO22Lasan’izay ny helokao, ry zanaka vavin’i Siôna,
tsy hanesi-tany anao intsony izy.
Mamangy ny helokao izy, ry zanaka vavin’i Edôma,
asehony miharihary ny fahotanao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.