1Omeo ny dokotera ny haja tandrify azy, noho ny filanao azy;
fa izy ihany koa dia noarîn’ny Tompo.
2Fa ny Avo Indrindra no iavian’ny fahasitranana;
ary na ny mpanjaka aza andraisany fanatitra.
3Manandratra ny lohany ny fahaizan’ny dokotera,
ka igagana izy, eo anatrehan’ny lehibe.
4Ny Tompo mampahavokatra ny tany ny fanafody avy amin’ny tany,
ary ny olona manan-tsaina tsy mba manao izany tsy ho zavatra.
5Moa tsy dia ny hazo anankiray va no nahamamy ny rano mangidy,
mba ho fantatry ny olona rehetra ny hasiny?
6Nomeny fahaizana ny olona
hahazoany voninahitra amin’ny fanomezany mahagaga.
7Amin’izany fanomezana izany no ampahazoan’ny olona ny fahasitranana
sy hanafahany ny fanaintainana.
8Izany no anaovan’ny mpanao fanafody zavatra miharoharo,
ka vantany vao vita ny asany,
dia miely eto ambonin’ny tany ny fahasalamana avy aminy.
9Anaka, raha marary ianao, aza manao ny torohevitro ho tsinontsinona,
fa mangataha amin’ny Tompo, dia hositraniny ianao.
10Fadio ny fandikan-dalàna, ahitsio ny tananao,
ary diovy ny fonao amin’ny ota rehetra.
11Atero ny emboka amam-panatitra lafarina;
ary mamonoa sorona matavy, tahaka ny efa raikitra fa ho faty ianao.
12Raha efa izany ampandrosoy ny dokotera,
fa izy koa dia noarîn’ny Tompo,
ary aoka tsy hanalavitra anao izy, fa mila azy ianao.
13Misy ihany izay ahombiazan’ny tanany,
14fa hangataka amin’ny Tompo koa izy ireny,
mba hoekeny ny hampahazoany ny fitsaharana,
amam-pahasitranana hahalava andro fiainana ny marary.
15Aoka izay manota eo imason’ny Mpahary azy,
no ho latsaka eo an-tanan’ny dokotera!
Fisaonana16Anaka, itomanio ny maty,
ary aoka ho rafitra migogogogo ianao
toy ny olona mijaly mafy.
Manaraka izany, ataovy amin’ny vatany izay fikarakarana tandrify azy,
ary aza atao tsirambina ny fandevenana azy.
17Mamoròna ranomaso mangidy, mandefasa sento mafy,
ary manaova fisaonana, araka ny sahaza azy,
indray andro na indroa andro, mba tsy hisian’ny vava ratsy.
18Raha efa izany, mionòna ianao, mba hampisava ny alahelo,
fa mety hiavian’ny fahafatesana ny alahelo,
ary mandreraka ny hery rehetra ny alahelon’ny fo.
19Rehefa entina ny maty, tokony hiara-dasa aminy koa ny alahelo;
tahaka ny fiainan’ny mahantra, mifanohitra amin’ny fony.
20Aza avela hianjadian’ny alahelo ny fonao,
roahy izy, tsarovy ny hiafaranao.
21Aza manadino izao: tsy misy fiverenana intsony;
ny maty tsy hosoavinao; ary ny tenanao hasianao ratsy.
22Tsarovy fa toy ny didy nahatra taminy izay hahatra aminao,
ny ahy omaly; ny anao anio.
23Rehefa mitsahatra ny maty,
avelao hitsahatra koa ny fahatsiarovana azy;
ary mionòna ianao ny aminy, amin’ny fahalasanan’ny fanahiny.
Asa tanana24Ny fahendren’ny mpanoratra
dia azo noho ny fananana andro malalaka,
ary izay tsy manan-draharaha himasoana, dia tonga hendry.
25Ahoana no hahatonga hendry ny mitondra ny angadin’omby,
izay maniry ny hampiasa ny fanindronana ho solon’ny lefona,
mampandroso ny ombiny, sy tafaharo asa amin’ireny,
ary tsy mahay miresaka afa-tsy amin’ny zanak’ombalahy.
26Ny hanoritra asa no ilofosany amin’ny fony rehetra,
ny hampahazo vilona ny vantotr’ombivaviny no karakarainy fatratra.
27Manao toy izany koa rehefa mety ho mpandrafitra sy mpanorina trano,
izay manohy ny raharahany andro aman’alina;
mbamin’ny mpisikotra marika amin’ny fitomboka:
ny hahasamihafa ny endri-javatra no ikelezany aina;
ny hahavita ny sary marina tsara no ilofosany tokoa,
ary ny hahatomombana ny asany no karakarainy fatratra.
28Torak’izany ny mpanefy mipetraka eo akaikin’ny riandriany,
sy mibanjina ny vy mbola akorany;
ny fofon’afo mampitsonika ny nofony;
nefa miaritra izy tsy mihontsana amin’ny hafanan’ny fatam-panefeny;
ny fikatrokatroky ny tantanana mankarenina ny sofina;
ary ny masony nifantoka amin’ny môdelin’ny fanaka;
ny hahalavorary ny asany no ilofosany amin’ny fony tokoa,
ny hahalambolambo azy lavorary tsara no karakarainy fatratra.
29Torak’izany koa ny mpanao tanimanga,
mipetraka eo amin’ny asany,
sy manodina ny kodiarana amin’ny tongony:
ny asany ihany no ahiny lalandava
ary ny hahavitany izay siny voafetra no ikelezany aina mafy.
30Ny tanany no mamolavola ny tanimanga,
ary eo anoloan’ny tongony no hanalemeny azy;
izay hahatsara ny varinesiny no ilofosany amin’ny fony tokoa,
izay hahadio ny lafaorony no karakarainy fatratra.
31Ny tanana no ampoizin’ireo olona ireo hahavitana ny zavatra rehetra;
ary samy manam-pahaizana ny amin’ny asany avy izy ireo.
32Raha tsy misy azy ireo ny olona dia tsy hahorina tanàna iray akory,
tsy hankany amin’ny tany hafa, na handeha hivahiny.
33Kanefa izy ireo tsy mba ilaina eo amin’ny fivoriana
fakàn-kevitry ny vahoaka
na hahazo laza eo amin’ny fivoriana;
tsy mba hanam-pahaizana ny fanekena momba ny rariny,
tsy mba hahazo toerana eo amin’ny sezan’ny mpitsara;
tsy hivaofy ny rariny sy ny hitsiny;
ary tsy mba ho hita mamoaka oha-teny.
34Izy ireo anefa no fototry ny zavatra ilaina momba izao fiainana izao,
ary ny asany momba ny raharahany no anaovany fivavahana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.