1 Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida.
Iaveh ô, tsy mba nivontom-piavonavonana ny foko,
tsy mba niandranàndrana ny fijeriko,
tsy mba mikarokaroka zavatra ambony aho,
na izay avo mihoatra noho izaho.
2Tsy izany fa mitana ny fanahiko amin’ny fiononana sy fanginana aho,
toy ny zaza vao notazana eo ampofoan-dreniny,
toy ny zaza vao notazana ny fanahiko ato anatiko.
3Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely,
ankehitriny sy mandrakizay!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.