1Ary rehefa afaka izany, dia indro
fa handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho,
ka ny zanaka lahy aman-janaka vavinareo haminany;
ny anti-panahinareo hahita nofy,
ny zatovonareo hahazo fahitana.
2Na dia ny mpanompo lahy ama-mpanompo vavy aza,
handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.
3Haneho zava-mahagaga eny an-danitra sy etỳ
an-tany Aho,
dia ra sy afo aman-tsetroka mitankosina.
4Ny masoandro hiova ho haizina,
ary ny volana ho ra,
alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Iaveh,
izay sady lehibe no mahatahotra.
5Ary na zovy na zovy hiantso ny Anaran’i Iaveh, dia ho voavonjy;
fa ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema
dia hisy fivorian’ny voavonjy araka ny voalazan’i Iaveh,
mbamin’ireo eo amin’izay sisa velona, izay antsoin’i Iaveh.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.