Jeremia 47 - Malagasy Catholic Bible

Tenin’Andriamanitra mamely ny Filistinina(Jereo Jôs 13,2; Am 1,6-8; Sôf 2,4-7; Ezek 25,15-17)

1Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ny Filistinina, fony i Faraôna tsy mbola namely an’i Gazà.

2Izao no lazain’i Iaveh:

Indro, misy rano be misondrotra avy any avaratra;

dia tonga sahala amin’ny renirano maria tondraka,

ka hanafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy,

na ny tanàna, na ny mponina.

Mihorakoraka ny lehilahy,

ary midradradradra avokoa ny mponina amin’ny tany.

3Rehefa re ny fikatraokan’ny tongo-tsoavaliny,

sy ny firodorodon’ny kalesiny aman-tabataban’ny kodiarany:

tsy miherika izay zanany intsony ny rainy,

fa efa miraviravy tanana fatratra ny olona.

4Izany dia noho ny fahatongavan’ny andro

handringanana ny Filistinina rehetra;

handripahana an’izay sisa amin’ny mpikambana

amin’i Tira sy i Sidona;

fa horavan’i Iaveh ny Filistinina,

izay sisa amin’ny nosy Kaftôra.

5Tonga mangadihady loha i Gazà;

levona i Askalôna,

mbamin’ny lohasaha manodidina azy.

Mandra-pahoviana ianao no mbola hiteti-tena ihany?

6Indrisy, ry sabatr’i Iaveh,

mandra-pahoviana no tsy hanam-pitsaharana ianao?

Midira indray ao amin’ny tranonao,

miatoa ary mandria!

7Hataonao ahoana moa no fitsahatra,

fa nomen’i Iaveh didy ianao?

Mankany Aksalôna sy any amoron-dranomasina

no itarihany azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help