Jôsoe 7 - Malagasy Catholic Bible

Fandikana ny efa natokana ho an’Andriamanitra

1Nanao fahadisoana momba ny anatema ny zanak’i Israely; fa naka tamin’ny zavatra natao anatema i Akàna zanak’i Karmì zanak’i Zabdỳ zanak’i Zare tamin’ny fokon’i Jodà, ka nirehitra tamin’ny zanak’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.

Faharesena tao Haia, ny nanasaziana ny fanimbazimbana

2Naniraka olona i Jôsoe niala tao Jerikô ho any Haia, ka nanao tamin’ireo hoe: «Miakara hisafo ny tany.» Dia niakatra ireo olona ireo, ka nisafo an’i Haia.

3Nony tafaverina tao amin’i Jôsoe izy ireo, dia nilaza taminy hoe: «Aoka tsy ny vahoaka rehetra no hiakatra; olona roa na telo arivo ihany no hiakatra dia ho resiny i Haia, ka aza manasatra ny vahoaka rehetra any amin’izany tanàna izany, fa vitsy izy ireo.»

4Tokony ho telo arivo lahy tamin’ny vahoaka no niakatra, kanjo vaky nandositra teo anoloan’ny mponina tao Haia ireo.

5Nahafaty tokony ho enina amby telopolo lahy tamin’izy ireo ny olona tao Haia, sady nanenjika azy hatrany am-bavahady ka hatrany Sabarima, sy namely azy teny am-pidinana. Ka nivarahontsana terỳ ny fon’ny vahoaka, ary nanary toky izy.

Vavak’i Jôsoe

6Dia notriarin’i Jôsoe ny fitafiany ka nihohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiaran’i Iaveh izy sy ny loholon’i Israely, mandra-paharivan’ny andro, sady nandraraka vovoka tamin’ny lohany izy ireo.

7Ary hoy i Jôsoe: «Andray, ry Iaveh Tompo ô, nahoana re no dia nampitainao an’i Jordany ity vahoaka ity, hanoloranao anay eo an-tanan’ny Amôreana, mba handringana anay? Inay anie izahay mba nahay nipetraka tany an-dafin’i Jordany ihany.

8Mifona re aho, ry Tompo ô. Inona no holazaiko, fa i Israely ity no niamboho ny fahavalony.

9Handre izany ny Kananeanina sy ny mponina rehetra amin’ny tany, dia hanemitra anay sy hamono ny anaranay eto an-tany. Ka hataonao ahoana ity Anaranao lehibe?»

Valy nomen’i Iaveh

10Dia hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Mitsangàna ianao, nahoana no miankohoka toy izao?

11Efa nanota i Israely, fa ny fanekeko nasaiko notandremany, nivadihany, ka nangalany ny zavatra natao anatema, norobainy izany, sady namitahany fa nafeniny tany anaty entany.

12Ka tsy natahotra ny fahavalony ny zanak’i Israely fa niamboho teo anoloan’ny fahavalony izy, satria tonga anatema. Tsy homba anareo intsony Aho amin’ny sisa, raha tsy esorinareo hiala aminareo ny anatema.

13Koa mitsangàna ianao, hamasino ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Misy anatema eo afovoanao, ry Israely; ka tsy hahatoha ny fahavalonao ianao, mandra-panaisotrareo ny anatema hiala eo afovoanareo.

14Ny maraina dia hanatona isam-pokony ianareo, ka ny foko izay hotanan’i Iaveh dia hanatona isam-pianakaviana, ary ny fianakaviana izay hotanan’i Iaveh dia hanatona isan-trano, ary ny trano izay hotanan’i Iaveh dia hanatona isam-batan’olona;

15ary izay voatana ho azon’ny anatema dia hodorana amin’ny afo, izy mbamin’izay rehetra mety ho azy; satria mivadika ny faneken’i Iaveh sy manao izay fady indrindra amin’i Israely.»

Hita ilay meloka dia nosazina

16Nony ampitso nifoha vao maraina koa i Jôsoe, dia nampanatona an’i Israely isam-pokony, ka ny fokon’i Jodà no voatana.

17Nampanatoniny i Jodà isam-pianakaviany, ka ny fianakavian’i Zare no voatana. Nampanatoniny isan-trano ny fianakavian’i Zare, ka i Zabdỳ no voatana.

18Ary nampanatoniny isam-batan’olona ny tao an-tranon’i Zabdỳ, ka i Akàna zanak’i Karmì zanak’i Zabdỳ zanak’i Zare avy amin’ny fokon’i Jodà no voatana.

19Dia hoy i Jôsoe tamin’i Akàna: «Akàna, mihanta aminao aho, omeo voninahitra i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy omeo haja Izy. Lazao amiko izay nataonao, fa aza afenina ahy izany.»

20Ary hoy i Akàna namaly an’i Jôsoe: «Marina izany, izaho tokoa no nanota tamin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ary izao no nataoko:

21Hitako tamin’ny babo, ny kapaoty tsara anankiray avy any Senaara, volafotsy lanjan-droan-jato sikla, ary anja-bolamena lanjan-dimampolo sikla, nitsiriritra ireo aho ka naka azy; voaafina any ambanin’ny tany ao an-daiko izany, ka ny vola no ao ambany.»

22Dia nampandeha iraka i Jôsoe, ka nankany an-day faingana izy ireo, ka indreo ny zavatra voaafina tao an-dain’i Akàna, ary ny volafotsy tao ambany;

23dia nalainy avy tao afovoan’ny lainy ireny ka nentiny tany amin’i Jôsoe sy ny zanak’i Israely rehetra, ary napetrany teo anatrehan’i Iaveh.

24I Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy dia naka an’i Akàna zanak’i Zare, mbamin’ny volafotsy, ny kapaoty, ny anjam-bolamena, ny zanaka lahy aman-janaka vavin’i Akàna, ny ombiny, ny ampondrany, ny ondriny, ny lainy, mbamin’ny ananany rehetra, ka nentiny niakatra tany an-dohasaha Akora.

25Dia hoy i Jôsoe: «Nahoana no dia nampikorontana anay ianao? Mba hokorontanin’i Iaveh koa ianao.» Dia nitora-bato azy i Israely rehetra. Nodorana tamin’ny afo izy ireo ary notoraham-bato,

26ary nanangana antontam-bato lehibe teo ambonin’i Akàna ny olona, ka mbola maharitra ao mandraka androany izany. Dia nitony i Iaveh tamin’ny firehetan’ny fahatezerany. Noho izany zava-nitranga izany no iantsoana io toerana io mandraka androany hoe Lohasaha Akora.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help