1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.
2Iaveh ô, afaho amin’ny olon-dratsy aho,
arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho.
3Izay mieritreritra hevitra ratsy ao am-pony,
izay manangana ady amiko lalandava;
4izay mandranitra ny lelany toy ny menarana,
sady misy poizin’aspika ao ambany molony.
- Selà
5Iaveh ô, ambeno amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho,
arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho,
izay mitetika ny hanafintohina ahy.
6Misy mpiavonavona mamela-pandrika harato hamandrihana ahy;
mametra-pandrika harato manaraka ny lalan-kalehako;
ary manao otrika hamelezana ahy.
- Selà
7Hoy aho amin’i Iaveh: «Andriamanitra Ianao,»
henoy ny feon’ny fitarainako, ry Iaveh!
8Iaveh Tompo ô, Mpamonjiko mahery,
manarona ny lohako amin’ny andro fiadiana Ianao.
9Ry Iaveh, aza tanterahinao ny fanirian’ny ratsy fanahy,
aza avela hahomby ny hevi-dratsiny;
dia ireharehany loatra izany.
- Selà
10Ny lohan’ireo izay manemitra ahy anie,
no hianjeran’ny ratsy tononin’ny molony.
11Aoka hanintsanana vainafo mivaivay eo ambonin’izy ireo!
Havarin’Andriamanitra any amin’ny afo anie izy,
any amin’ny hantsana tsy ho azony ialana intsony!
12Tsy hambinina ny mpanendrikendrika eto ambonin’ny tany,
ary hozoin-doza, tsy hamindrana fo, ny mpanao an-keriny.
13Fantatro fa omen’i Iaveh hitsiny ny fadiranovana,
ary omeny rariny ny mahantra.
14Eny, hankalaza ny Anaranao ny marina,
ary honina eo anatrehan’ny Tavanao ny olo-mahitsy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.