Ekleziastika 17 - Malagasy Catholic Bible

1Nataon’Andriamanitra tamin’ny tany ny olombelona,

ary asainy hiverina amin’ny tany izy.

2Andro voaisa fotoa-manam-petra no naraikiny ho an’ny olombelona,

ary nomeny fahefana amin’ny zavatra rehetra etỳ an-tany izy.

3Nomeny hery araka ny toetrany izy,

ary nataony mitovy endrika aminy.

4Nasiany fahatahorana azy ny nofo rehetra,

ary nomeny fanjakana amin’ny biby amam-borona izy.

5Ny olombelona dia nomeny fahalalana, lela, maso,

sofina, ary fo hihevitra.

6Nofenoiny fahaizana amam-pahalalana izy;

ary nampahalalainy ny tsara sy ny ratsy.

7Nataony tao am-pon’izy ireo ny masony,

hanehoany amin’izy ireo, ny halehiben’ny asany;

8mba hiderany ny Anarany masina,

amin’ny fitoriany ny zava-mahagaga amin’ny asany;

9Nomeny azy ireo koa ny fahaizana,

ary nampanana azy ny lalàn’ny fiainana Izy.

10Nanao fanekena mandrakizay tamin’izy ireo Izy,

ary nanambara ny didiny taminy.

11Ny mason’izy ireo nibanjina ny famirapiratan’ny voninahiny;

ny sofiny nandre ny fikarantsan’ny feony mahatalanjona.

12Ary izao no nolazainy taminy:

«Mitandrema tena ianareo amin’ny tsy fahamarinana rehetra»;

dia samy nomeny didy ny amin’ny namany avy izy ireo.

Andriamanitra mpitsara

13Eo anatrehany mandrakariva ny lalan’izy ireo;

tsy misy mahafina izany tsy ho hitany.

14Ny firenena tsirairay, samy nanendreny mpitondra avy,

fa i Israely kosa dia anjaran’ny Tompo.

15Eo anatrehany toy ny masoandro ny asan’ireo rehetra;

ary todihiny maso lalandava ny lalany.

16Tsy miafina aminy ny tsy fahamarinan’izy ireo,

ary eo anoloan’ny Tompo avokoa ny fahotany.

17Toy ny tombokase ho azy ny asam-pitiavan’ny olombelona;

ary tahiriziny hoatra ny anakandriamaso ny soa ataon’ny olona.

18Raha efa izany dia hitsangana izy, ka hamaly azy ireo araka ny asany,

ary hampianjera amin’ny lohany, araka ny tandrifiny.

19Izay mibebaka anefa, dia ekeny ny hiverenany,

ary izay very fanantenana, alany alahelo.

Mivaloza

20Mitodiha ny Tompo ianao, ka mialà amin’ny fahotana;

mivavaha eo anoloan’ny Tavany, ary ampahavitsio ny ratsy natao.

21Miverena amin’ny Avo Indrindra, mialà amin’ny tsy fahamarinana,

ary ankahalao mafy izay vetaveta.

22Iza no hidera ny Avo Indrindra, any amin’ny Seoly,

hisolo ny velona, sy izay nanome voninahitra azy?

23Ny olona efa maty tsy mahazo midera fa toy ny tsinontsinona izy,

fa ny velona sy ny salama no midera ny Tompo.

24Endrey ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo!

sy ny fangoraham-pony an’izay mibebaka aminy!

25Fa tsy mety hisy ao amin’ny olombelona avokoa ny zavatra rehetra;

tsy mba hoe tsy mety maty ny zanak’olombelona.

26Inona no mamirapiratra kokoa noho ny masoandro?

Ary mihamaizina anefa izy.

Toy izany ny ratsy fanahy, mihevitra ny nofo aman-dra.

27Ny masoandro, mamangy ny tafiky ny kintana eny an-danitra ambony,

fa ny olombelona dia vovoka sy lavenona ihany avokoa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help