Salamo 6 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 6Talaho ao anatin’ny fitsapana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny zava-maneno tendrena. Amin’ny Oktavy . Salamon’i Davida.

2Iaveh ô, aza sazînao amin’ny fahatezeranao aho,

ary aza faizinao amin’ny fisafoahanao.

3Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa reraka aho;

sitrano aho, ry Iaveh, fa mangozohozo ny taolako.

4Mitebiteby loatra ny fanahiko,

fa Ianao Iaveh mandra-pahoviana?...

5Miverena, ry Iaveh, afaho ny fanahiko,

vonjeo aho, noho ny famindram-ponao.

6Fa ny efa maty tsy mahatsiaro Anao intsony,

any amin’i Seoly zovy no hidera Anao?

7Trotraka aho, azon’ny misento,

ampo-dranomaso isan’alina ny fandriako;

vonton’ny ranomasoko ny farafarako.

8Lanin’alahelo ny masoko;

efa mason’antitra noho ny ataon’ny mpanenjika ahy rehetra izy.

9Mialà amiko ianareo mpanao ratsy rehetra,

fa efa ren’i Iaveh ny feon’ny fitomaniako,

10Efa nohenoin’i Iaveh ny fifonako,

efa raisin’i Iaveh ny fivavahako.

11Hangaihay sy ho raiki-tahotra ny fahavaloko rehetra;

hihemotra izy, fa safo-kenatra tampoka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help