Salamo 116 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 116 (Volgata 114-115)Fisaorana sy fankasitrahana

1Tiako Izy, satria ren’i Iaveh,

ny feoko, ny fitarainako.

2Fa nanongilan-tsofina tamiko Izy,

ka hiantso Azy aho, ny andro rehetra hiainako.

3Efa nihodidina tamiko ny fatoran’ny fahafatesana,

efa nahazo ahy ny tebitebin’ny Seoly;

efa nianjady tamiko ny fanahiana amam-pahoriana,

4fa niantso ny Anaran’i Iaveh aho, nanao hoe:

«Iaveh ô, vonjeo ny fanahiko!»

5Mamindra fo sy marina i Iaveh,

miantra ny Andriamanitsika.

6Miaro ny osa i Iaveh;

ory aho ka novonjeny.

7Ry fanahiko ô, miverena amin’ny fitsaharanao,

fa i Iaveh manototra soa anao.

8Eny, Ianao efa nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana,

ny masoko tamin’ny ranomaso,

ny tongotro tamin’ny halavoana.

9Izaho mbola handeha eo anatrehan’i Iaveh

eo amin’ny tanin’ny velona.

10Matoky aho, na dia milaza hoe aza:

«Fara fahoriana aho ity!»

11Hoy aho, tao anatin’ny fahakiviako:

«Mpandainga avokoa ny olombelona.»

12Inona no havaliko an’i Iaveh,

noho ny soa rehetra nataony tamiko?

13Hanainga ny kôpin’ny famonjena aho,

ka hiantso ny Anaran’i Iaveh.

14Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho,

eo anatrehan’ny vahoakany rehetra.

15Zava-tsarobidy eo imason’i Iaveh

ny fahafatesan’ny mpino azy.

16- Endrey! ry Iaveh ô, satria mpanomponao aho;

mpanomponao, zanaky ny ankizy vavinao,

ka dia novahanao ny fatorako.

17Hanatitra ny sorom-pisaorana aminao aho,

ary hiantso ny Anaran’i Iaveh.

18Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho,

eo anatrehan’ny vahoakany rehetra,

19eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh,

dia eo anatin’ny mandanao, ry Jerosalema.

Aleloia!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help