1Anaka, aza manala fivelomana ny mahantra;
ary aza mampiandry maso ny tsy manana.
2Aza mampahory ny fanahin’ny noana;
ary aza mampitombo fahoriana ny olona tsy manana.
3Aza vao mainka mahatezitra ny fo misafoaka;
ary aza milasilasy fanome ny mahantra.
4Aza atositosika ny mpangataka ory,
azy aza iambohoan-tava ny mahantra.
5Aza miamboho tsy mijery ny malahelo
ary aza avela hisy antony hanozonany anao;
6fa raha manozona anao amin’ny fahorian’ny fony izy,
dia hohenoin’Ilay nanao azy ny fangatahany.
7Ataovy mahafinaritra ny be sy ny maro ianao;
ary aondreho ny handrinao eo anoloan’ny lehibe.
8Henoy teny ny mahantra;
ary omeo valy amin-kamoram-po izy hahafinaritra azy.
9Afaho amin’ny tanan’ny mpampahory azy, izay ampahoriana;
ary aza osa foana raha mitsara ianao.
10Aoka ho toy ny ray amin’ny kamboty ianao,
ho toy ny vady amin’ny renin’izy ireo,
dia ho toy ny zanaky ny Avo indrindra ianao;
ary ho tianao mihoatra noho ny reninao izy.
Fahendrena, manabe11Manandratra ny zanany ny fahendrena,
ary miahy an’izay mikatsaka azy izy.
12Izay tia azy, tia fiainana;
ary izay maimay hikatsaka azy, dia feno hafaliana.
13Izay misambotra azy dia ny voninahitra no anjarany,
ary amin’izay rehetra hidirany dia hitsofan’ny Tompo rano azy avokoa.
14Izay manompo azy manompo ny Masina,
ary izay tia azy, tia ny Tompo.
15Izay mihaino azy, hitsara ny firenena;
ary izay manatona azy honina feizay.
16Izay matoky azy, hanana azy ho anjarany,
ary ny taranany, hitana ny fananana azy.
17Satria amin’ny voalohany izy,
miara-mandroso amin’ny lalan-tsarotra miaraka aminy;
mampiavy tahotra aman-korohoro aminy izy;
mampijaly azy amin’ny fifehezana mafy,
mandra-pitsapany azy, amin’ny didiny.
18Fa nony efa izany, dia miverina aminy amin’ny lala-mahitsy indray izy,
ka mampifaly azy sy mamboraka ny zava-miafina aminy.
19Raha mania anefa izy, dia ilaozany,
sy avelany hahita loza.
Fitandremana ny henatra olona20Tandremo ny fotoana, ary fadio ny ratsy,
ka aza misy tokony hahazoanao henatra amin’ny tenanao.
21Misy henatra mitarika ny ota;
ary misy henatra mitarika voninahitra amam-pahasoavana.
22Fadio izay henamaso olona, hanimba ny fanahinao,
ary aza dia menatra hahitanao fahaverezana.
23Aza mitàn-teny amin’ny fotoam-pamonjena
ary aza manafim-pahendrena, mba hireharehana foana.
24Fa amin’ny fiteny no hahalalana ny fahendrena,
ary amin’ny tenin’ny lela, no isehoan’ny fahaizana.
25Aza manohitra ny marina
fa menara noho ianao tsy ampy fahalalana.
26Aza menatra ny hiaiky heloka
ary aza manoha ny fandehan’ny ony.
27Aza manaiky izay olona adala,
ary aza resin-kenamason’izay olo-manam-pahefana.
28Miadia miaro ny marina, mandra-pahafatinao,
ary ny Tompo Andriamanitra hiady hiaro anao.
29Aoka ianao tsy ho mafy teny,
na ho kamo aman-kanosa amin’ny asanao.
30Aoka tsy ho toy ny liona ianao ao an-tranonao,
na ho be haitraitra eo amin’ny mpanomponao.
31Aoka ny tananao tsy hitsotra raha handray,
nefa hihemotra kosa nony hanome.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.