1Indro fa tsy ny tanan’i Iaveh no fohy ka tsy mahavonjy,
tsy ny sofiny no lalodalovana ka hoe tsy hahare;
2fa ny helokareo no nanisy efitra
mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo;
ny fahotanareo no nanafenany ny Tavany
tsy hihainoany anareo.
3Satria ny tananareo voaloto tamin’ny ra;
ary ny rantsan-tananareo tamin’ny heloka.
Ny molotrareo miteny lainga;
ny lelanareo milaza teny ratsy.
4Tsy misy mitory olona ara-drariny,
na mandahatra momba ny adiny araka ny hitsiny;
fa ny tsy izy no iankinany, ny lainga no alahany;
torontoronina hevi-dratsy ny olona ka miteraka heloka.
5Mikotrika atody menarana izy,
sy manenona tranon-kala:
izay mihinana amin’ny atodiny, ho faty;
ary raha potsirina izany, dia menarana no mivoaka avy ao.
6Ny tenona ataony tsy azo itafiana;
ary ny taozavany tsy azo irakofana;
fa asa mahameloka ny asany,
ary asa mandoza no ao an-tanany.
7Ny tongony miriotra ho amin’ny ratsy,
sy mimaona handatsaka ny ra tsy manan-tsiny;
ny heviny dia hevitra mahameloka;
fandravana amam-pandringanana no eo amin’ny alehany.
8Tsy mahalala ny lalan’ny fiadanana izy;
ary tsy mba misy hitsiny eo amin’ny lalany;
fa lala-miolakolaka no soritany haleha,
ka izay mandia izany tsy mahita fiadanana.
9Noho izany, nanalavitra antsika ny fitsarana marina,
ary tsy tonga hatraty amintsika ny fahamarinana.
Miandry ny mazava isika, kanjo ny haizina no indro eo;
miandry ny fahazavan’ny andro, kanjo mandeha amin’ny maizina ihany.
10Miraparapa manara-drindrina, hoatra ny jamba isika,
miraparapa hoatra ny olona tsy mana-maso;
tafintohina amin’ny mitataovovonana, hoatra ny maizin-takariva;
eo afovoan’ny olona matanjaka isika dia sahala amin’ny olona maty.
11Manerona hoatra ny orsa avokoa isika;
ary tsy mitsaha-mitoloko hoatra ny voromahailala;
miandry ny fitsarana isika nefa tsy tonga izy,
miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany.
12Fa ny fiodinany, efa maro eo anatrehanao;
ary ny fahotanay, mitsangan-ko vavolombelona mamely anay;
eny, eto anatrehanay ny fiodinanay,
ary fantatray ny helokay:
13dia ny nivadika sy nandà an’i Iaveh,
nihataka nanalavitra ny Andriamanitray,
niteny fampahoriana amam-pikomiana;
namorona sy namoaka lainga avy ao am-ponay!...
14Ka dia nihataka ny rariny,
ary lavitra anay eny ny fahamarinana;
fa tafintohina eo an-kianja malalaka ny fahamarinana,
ary tsy mahazo miditra eo ny hitsiny:
Sombin’Apôkalipsa15Lasana ny fahamarinana,
ka baboina izay mifady ny ratsy.
Hitan’i Iaveh izany ka tsy sitraky ny masony,
ny tsy fisian’ny hitsiny intsony.
16Hitany fa tsy nisy olona teo,
ary gaga izy fa tsy nisy nanalalana akory.
Ka dia ny sandriny no nitsangan-kanampy Azy,
ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
17Niakanjo ny fahamarinana ho fiarovan-tratra Izy,
ary nametraka ny satro-pamonjena teo an-dohany;
ny famaliana no nataony akanjo fiadiana,
ary nihodidina tamin’ny fahasaro-piaro, toy ny amin’ny kapaoty izy.
18Hifandanja amin’ny asa natao ny valy,
dia hatezerana ho an’ny mpandrafy Azy, valim-bonoana ho an’ny fahavalony,
hanao valim-bonoana amin’ireo nosy Izy.
19Dia hatahorany hatrany andrefana ny Anaran’i Iaveh,
ary hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro, ny voninahiny;
fa ny fiaviny ho toy ny ony maria,
hampandehanan’ny fofon’ain’i Iaveh.
20Ho avy izy ho Mpanavotra ho an’i Siôna,
sy ho an’ny ao amin’i Jakôba, izay hibebaka amin’ny helony;
- teny marin’i Iaveh. -
Tenin’Andriamanitra21Ary Izaho kosa,
dia izao no fanekeko amin’izy ireo,
hoy i Iaveh:
Ny Fanahiko izay ao aminao,
sy ny Teniko izay hataoko ao am-bavanao,
dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao,
sy eo am-bavan’ny zanakao,
ary eo am-bavan’ny zanaky ny zanakao,
hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy i Iaveh.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.